Anio sabotsy no ho tonga ny filoha Frantsay François Hollande. Efa nisy kosa ireo filoham-pirenena sy praiminisitra tonga ny alakamisy sy omaly zoma. Anisan’izany ny filoha Vietnamiana Tran dai quang,
ny filohan’i Seychelles Danny Faunemny, praiminisitra Maorisianina Arnood Jugnauthm. Samy tonga omaly kosa ny filohan’i Burkina faso Roch Marc Christian, ny filohan’i kaomoro Azali Assoumani, ny filohan’i Centrafrique Faustin Archange, ny filohan’i Djibouti Ismail Omar Guelleh, ny filohan’i Tchad Idriss Deby Itno ary ny filohan’i Senegal Macky Sall. Ity farany moa izay hanao famindram-pahefana amin’ny filoha Malagasy Hery Rajaonarimampianina satria ny tanànan’i Dakar any Senegal roa taona lasa izay no nampiantrano ny fihaonana an-tampony faha-15 an’ny Frankofonia. Araka ny fantatra dia mbola misy ny filoham-panjakana andrasana ny fahatongavany anio sabotsy saingy tsy fantatra ny isan’izy ireo. Anio moa no hisy ny fivoriamben’ireo filoham-pirenena mandritra izao fihaonana an-tampony faha-16 n’ny Frankofonia izao ka hisy ny famoahana ilay fehin-kevitra antsoina hoe “Declaration d’Antananarivo” anio hariva amin’ny 6 ora sy sasany eny amin’ny CCI Ivato.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.