Volavolan-dalŕna miisa 12 no hodinihana mandritra ny fivoriana tsy ara-potoan’ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza, izay hanomboka anio
Anisan’ny hojerena, ohatra, ny volavolan-dalàna momba ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-paritra, ny andraikitr’izy ireo sy ny fomba fiasany ary ny loharanom-bolany. Aroso hodinihan’ny solombavambahoaka ilay fehin-kevitra tapaka nandritra ny fikaonandoham-pirenena momba ny fitsinjaram-pahefana natao teny amin’ny CCI Ivato ny 21 sy 22 jolay lasa teo. Anatin’ny fandaharam-potoana ihany koa ny fandinihana ny volavolan-dalàm-panitsiana ny tetibola 2014, ny volavolan-dalàna momba ny fepetra raisina ho fampiharana ny lalàna amin’ny fanodinkodinana na fitantanana tsy mazava ny volam-panjakana, ny volavolan-dalàna momba ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy i Frantsa momba ny Aviation Civile de Madagascar(ACM). Fa mandritra izao fivoriana tsy ara-potoana izao ihany koa no hifidianan’ireo solombavambahoaka ny solontenan’izy ireo 2 hiasa ao amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC). Maro ny mahita fa tsy ampy handinihana ireo volavolan-dalàna 12 ireo ny 12 andro voafetran’ny lalàna fa haharetan’ny fivoriana tsy ara-potoana. Marihana fa tsy misy resaka mihitsy ny fandinihana ny lalàna mifehy ny fifidianana ben’ny tanàna, mandritra izao fivorian’ny antenimieram-pirenena izao. Midika ve izany fa tsy mbola mahamaika ny fitondrana ny hanatanterahana ny fifidianana kaominaly ? Sa kosa hitohy lavareny ny fivoriana eny Tsimbazaza eny ka raha tapitra ny fe-potoan’ny fivoriana tsy ara-potoana voalohany dia efa ho avy indray ny antso ho an’ny fivoriana tsy ara-potoana faharoa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.