Herinandro katroka anio dia higadona ny 25 oktobra, andro hanehoan’ny vahoaka Malagasy ny safidiny amin’ireo kandida 33 mianadahy. Misintona lakolosy satria tsy te ho tomponandraikitra, mangina fotsiny eo anoloan’ny lesoka maro amin’ny fikarakarana ity fifidianana ity ireo Parlemantera miisa 29 ao amin’ny CST tonga nivory omaly.
Ambentin-teny omaly tetsy Anosikely ny hoe: “Aleo misoroka toy izay mitsabo”. Saika ny fampiasana bileta tokana avokoa no ipetrahan’ny ahiahy. Ny CST Rasambozafy Cyril dia milaza fa mora ny mangala-bato amin’ny bileta tokana satria ranomainty miloko manga apetaky ny mpanisa vato amin’ny akihibeny dia efa mahafaty vato na ahazoana vato raha tsy misy manisy marika na lavatondro ny iray amin’ireo efajoro voatondro amin’izany. Mitatitra ny zava-misy kosa ny CST Ramaroson Alain izay nilaza fa na eto Antananarivo aza dia maro ny olona no tsy mahay mampiasa ity fomba fanehoan-tsafidy vaovao ity. Ny ahiahy tokoa tsy ihavanana ka misarika ny sain’ny tomponandraikitra izy sao hiseho eto amintsika koa ny olana any Guinée amin’izao fotoana. Mitokona tsy mety manisa vato intsony mantsy ny mpanohitra any an-toerana noho ny ahiahina hala-bato ataon’ny fanjakana ; bileta tokana koa mantsy no nampiasain-dry zareo tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo. Ho an’ny filohan’ny CST dia mazava ny heviny : “Raha mahatsapa ny CENI-T fa tsy tafavoaka dia tokony hilaza mazava na izy mitsotra fa vitany io”. Mangataka fihaonana maika amin’ny Praiminisitra sy ny CENI-T moa ireo mpikambana amin’ity andrimpanjakana ity hangataham-panazavana amin’ny dingana vita sy hahazoana antoka ny fahatomombanan’ny fanomanana.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.