Politique

Fivondronana politika Exopoles Mpikambana roa hafa indray no nametra-pialana


  • Alakamisy 24 Novambra 2011


 Mitohy ny fivakivakisana eo anivon’ny Exopoles. Taorian’ny fanambarana nataon’ireo mpikambana maromaro ny 7 novambra sy ny 16 novambra izay samy nivoaka an-gazety avokoa, toa ny Sekretera jeneraly (FDE) sy ny lefiny (ZAMA), ny mpitam-bola nasionaliny (CM) sy ireo mpanolotsaina nasionaly avy amin’ny (JIRO, ZAMA, FDPM, ADETRINOS) ary ireo mpikambana nasionaly (ATTAFa, ONG MANASOA, MPIAMI, TAFIA Antananarivo sy Bekily), dia mpikambana roa hafa sady mpanorina ihany koa no niala tsy ho mpikambana intsony amin’ity vondrona politika EXOPOLES tarihan’Atoa Rasambozafy Cyril dia Atoa isany Andriantsisataina Lumière filohan’ny fikambanana HASIN’ITAOSY nitana ny toeran’ny filoha lefitry ny kaomisiona politikan’ny Exopoles ary Rantoanina Eric izay filohan’ny ACIP ary mpanolotsaina tao amin’ny Exopoles ihany koa. Nambaran’izy ireo fa ny anton’ny fametram-pialana tsy hiara-dia amin-dRasamizafy Cyrille intsony dia noho izy nivaona tamin’ny fifanarahana ka tsy mankasitraka intsony ny fitantanany izy ireo. Marihina fa herintaona sy roa volana no niarahan’ireo fikambanana sy antoko samihafa ireo tao amin’ny Exopoles.
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT