Manoloana ny adihevitra be mikasika ny fikitihana ny lalàmpanorenana mialoha ny fifidianana dia nanambara ny antoko Marina, tamin’ny alalan’ny mpandrindra nasionaliny, Desiré Ranaivoson,
fa efa foto-kevitra novoizin’izy ireo hatramin’izay ny fanomezan-kasina sy fahefana ny fokonolona. Fomba 2, hoy izy, no azo hanomezana vahana ny fokonolona dia na amin’ny alalan’ny fametrahana azy ao anaty vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana (CTD) na amin’ny alalan’ny fampiasana tolo-dalàna. Efa tamin’ny faha mpanjaka no nisy sy nanana ny fahefana sy hasiny ny fokonolona ary notohizan’ny mpanjanaka io avy eo. Didy aman-dalàna, izany hoe didim-pitondrana na tolo-dalàna no nanendrena ireo filohan’ny tanàna sy olobe teny anivon’ny fokontany tamin’izany. Ny dikan’izay, hoy izy, dia tsy voatery hikitika lalàmpanorenana raha te hanome vahana ny fokontany. Mikasika ilay resaka hoe tsy ampy ho antsika moa ny 60 andro hamoahana ny voka-pifidianana dia nilaza ity mpandrindra nasionaly ity fa raha 20.000 no isan’ireo biraom-pifidianana eto amintsika dia heverina fa manana “Connexion” daholo ny ankamaroany. Na ny haka sary P.V aza dia avy eo hisy tompon’andraikitra hanaparitaka azy any anaty tambajotra dia efa tsy handany fotoana, hoy izy. Azo hanafainganana ny fifidianana tsara, raha ny fanazavany, amin’ny alalan’izao fivoaran’ny teknolojia izao fa dia mbola hiverina amin’ny fomba fiasa tany amin’ny 25 taona lasa foana ve ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.