Io ilay nambara fa tompondaka amin’ny zavatra hafahafa sy manjavozavo ny fitondrana HVM. Nambaran’ny didim-panjakana laharana 2018-097 nivoaka ny zoma 2 febroary lasa teo mantsy fa Atoa Ramarcel Benjamina Ramanantsoa izay minisitra misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena,
ny fanajariana ny tany ary ny fampitaovana no praiminisitra misolo toerana an’i Solonandrasana Mahafaly Olivier satria lasa namita iraka any ivelany ity farany. Mazava io, saingy ny nanaitra dia nampiantso mpanao gazety maimaika teny Mahazoarivo ny alahady 4 febroary ny praiminisitra Solonandrasana ka nilaza fa handeha hanao fizaham-pahasalamana kely any ivelany. Ny faran’ny taona 2017 no tokony ho efa nandeha nanao izany aho saingy noho ny fifandaminana teo amiko sy ny filoham-pirenena noho ny asa maro be tsy maintsy natrehana dia nahemotra amin’izao volana febroary izao io fizaham-pasalamana io, hoy ny praiminisitra. Tsy misy resaka hamita iraka na handeha hanao « mission » mihitsy teny Mahazoarivo tamin’io alahady io. Dia tena mahagaga ilay didim-panjakana nivoaka ary omaly vao naparitaka moa. Tsy azo inoana fa diso tsipelina ireny, toa manaporofo hatrany kosa anefa fa misy ny tsy fifankahazoan-dresaka eo amin’i Mahazoarivo sy Iavoloha ary mampanahy fa sao ho tratry ny fitaka ambadika ingahy praiminisitra ka hosoloina toerana tsimoramora eo tahaka ny nahazo an’ny jeneraly Jean Ravelonarivo ihany koa. Fanilihana amin’ny fomba hafakely sy miova amin’ny mahazatra angamba e !
.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.