Politique

Fivoahana amin’ny krizy malagasy Noresahina tao amin’ny Quai d’Orsay


  • Alarobia 18 Jolay 2012

Noresahina tao amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny frantsay ny raharaha Madagasikara. Ny krizy sy ny hivoahana amin’izany, no marimarina kokoa.

Nandritra ny dinika nifanaovan’ny delegasiona avy amin’ny antoko Maitso Hasin’i Madagasikara, nahitana an-dRtoa Saraha Georget Rabeharisoa, filohan’ny antoko, sy Alexandre Marie Georget, filoha mpanorina, tamin’Atoa Pascal Canfin, minisitra delege eo anivon’ny ministeran’ny raharaham-bahiny frantsay, misahana ny fampandrosoana, ny zoma 13 jolay 2012 teo izany. Araka izany dia manaraka akaiky ny fivoaran’ny toe-draharaha eto Madagasikara ry zareo Frantsay, na ao anatin’ny fiovam-pitantanana aza amin’izao fotoana, taorian’ny nahavoafidy ho filoham-pirenena an’Atoa François Hollande, avy amin’ny antoko Sosialista Frantsay.

Andaniny, nitondra ny fomba fijeriny ny raharaham-pirenena ankapobeny sy fifandraisana eo amin’i Frantsa sy Madagasikara koa ny Maitso Malagasy. Rtoa Saraha Georget Rabeharisoa rahateo dia efa nanambara ho fanta-bahoaka fa ho kandida hifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena voalohany ao anatin’ny repoblika faha-4, izy rahateo no kandida nihaona tamina tompon’andraikitra ambony ao amin’ny Quai d’Orsay, taorian’ny fifidianana filoham-pirenena frantsay ny 06 mey 2012. Niatrika ity fihaonana ity Atoa Blaise Desbordes, mpanolotsain’ny minisitra Pascal Canfin mikasika ny fampandrosoana maharitra sy i Elise Beretz, mpanolotsaina momba ny raharaha eo amin’ny Parlementa.

 
Nangonin’i Jean D.
 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT