Fararanon-danonana ny fihaonamben’ny antoko Tiako I Madagasikara sy ireo mpiara-dia aminy ny sabotsy teo teny amin’ny kianja FoFiKri Ilafy
. Fotoana nifampirariantsoa teo amin’ny mpikambana noho ny fahatrarana ny faha-56 taona niverenan’ny fahaleovantena sy nahatsiarovana manokana ireo marary sy namoy aina nandritra ny fetin’ny 26 jona 2016. Niarahaba ihany koa ny filoha nasionalin’ny TIM Ravalomanana Marc noho ny fetin’ny ray ireo olona marobe tonga nanotrona ny hetsika teny amin’ny distrikan’Avaradrano. Efa miomana haka ny fitondrana rahateo ny antoko TIM, araka ny hafatra sy toromarika nivoitra teny an-toerana.
Antoko matanjaka
Voaporofo tamin’ny fahatongavan’ireo mpanohana marobe teny Ilafy ny faran’ny herinandro teo indray ny tanjaky ny antoko Tiako I Madagasikara. Nezahina nopotehina rahateo ny antoko naorin’ny filoha Ravalomanana Marc tao anatin’izay 5 taona mahery izay fa mbola mijoro hatrany, hoy ny sekretera jeneraliny Andriamahefamparany Donnat. Miverina amin’ny ainy ankehitriny ny TIM sy ireo fikambanana samihafa mpiara-dia aminy, hoy kosa i Dada. Misokatra amin’ireo ankolafin-kery hafa ihany koa ity fikambanana politika ity satria tsy misy afaka mihambo hampandroso samirery an’i Madagasikara, araka ny fanamarihan’ny lehiben’ny antoko. Tsy fotoanan’ny fanilikilihana intsony izao na fifanomezan-tsiny amin’ny tsy fahombiazan’ny firenena. Ilaina ny fampivondronan-kery sy firaisankina ho fiatrehana ny ankehitriny sy ny ho avy ho fampandrosoana an’i Madagasikara sy fikatsahana ny tombontsoam-bahoaka, hoy hatrany ny mpitarika ny antoko TIM.
Kandida filoham-pirenena
Tsy ao anatin’ny foto-kevitra sy ny voambolan’ny antoko Tiako I Madagasikara mihitsy ny fanonganam-panjakana na fakana fahefana an-keriny. Tsy nisomonga kosa anefa ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc nilaza ampahibemaso indray ny maha kandida filohan’ny Repoblika azy amin’ny fifidianana manaraka ho avy eo. Efa mahalala io fikasan’ny filoha nasionalin’ny antoko Tiako I Madagasikara io rahateo ny fianakaviambe iraisampirenena, araka ny fanazavany. Efa manana ireo soridalana, tarigetra, paikady ary tanjona hamerenana ny fampandrosoana hita sy nisitrahan’ny vahoaka Malagasy teto amin’ny firenena teo anelanelan’ny taona 2002 hatramin’ny taona 2009 moa ny antoko TIM.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.