Mivoatra ary mihazakazaka be ihany ny fandehan'ny toe-draharaha eto amintsika.
Manoloana ny fikasana hisambotra ny zanaky ny filoha teo aloha sy ny hevitry ny filoha Ravalomanana tamin'ny kabariny omaly, raha niditra an-telefaonina nivantana tao amin’ny Magro Behoririka nandritra ny hetsiky ny Ankolafy telo izy, dia tsotra ny resaka ho an’i Mamy Rakotoarivelo lehiben’ny delegasion'ny ankolafy Ravalomanana. «Omenay “chance” farany ingahy Beriziky hanatanteraka ny sori-dalana raha tsy izany dia hiala izahay. Efa miantso ny Troika handray andraikitra koa izahay. Efa vonona izahay ary niditra kanefa ny sori-dalana tsy ampiharina araka ny tokony ho izy», hoy i Mamy Rakotoarivelo.
Ny fampiharana ny sori-dalana an-tsakany sy an-davany, manomboka amin'ny andininy voalohany ka hatramin'ny faha-45 no takiana, indrindra fa ny andininy faha-16 sy 17 izay mitaky ny fametrahana ny fahatoniana ara-tsosialy sy ara-politika, eo koa indrindra indrindra ny andininy faha-20 dia ny fodian'ireo sesitany politika rehetra, tsy misy fepetra. Mikasika izay indrindra, araka ny tsiliantsofina dia ny sabotsy 03 desambra ho avy izao no tokony hiverina an-tanindrazana ny filoha Marc Ravalomanana sy ny ankohonany raha tsy misy ny fiovana.
Raha raikitra io dia hankalaza ny tsingerin-taona faha-64 nahaterahany eto Madagasikara izany Atoa Marc Ravalomanana amin’ity 2011 rehefa nankalaza izany roa taona misesy tany ivelany tany. Raha momba ny hoe hisamborana azy na tsia, araka ny loharanom-baovao ihany dia toa manao vazaha mody miady ny eo anivon'ny FAT satria ny any ambony milaza fa haka fepetra, ny tokony hanatanteraka ny 'baiko' anefa minia tsy mankato izany. Ato anatin'ny andro vitsy moa izany no hamantarana ny ho tohiny, tonga amin’ilay fiteny betsileo hoe : se sabotsy mifankahita !
Soa
Sary : Ny 19 febroary no efa nandrasana ny hiverenan’ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.