Tato anatin’ny herinandro vitsivitsy izao dia misy karazana rivotra mitsoka ao amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka, tsy fitovian-kevitra eo amin’ireo mpitari-tolona sy mpitolona sasany.
Araka ny efa nitaterana azy teto omaly dia misy fikambanana iray mihevitra fa tokony hidina eny amin’ny Kianjan’ny 13 mey ho fanohizana ny tolona hampodiana an-tanindrazana ny filoha Marc Ravalomanana. Anisan’ireo tsy mankasitraka ny nidirana anaty governemanta, Kongresy (CT) sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) izy ireto. Niteraka disadisa tao amin’ny Kianjan’ny Magro moa izany. Omaly dia tonga nanazava sy nanome toromarika teny an-kianja mihitsy ny Maître Hanitra Razafimanantsoa izay filoha lefitry ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana. Nambarany fa tsy ilaina ny savorovoro. «Ny hany azoko antoka fa hampody ny filoha Marc Ravalomanana eto dia tsy misy afa-tsy ny ankolafy Ravalomanana. Tsy hiandry ankolafy hafa isika. Tsy izay manakorontana no handroaka antsika eto fa izy no aleo avoaka any. Eto Magro fa any Magri», hoy ity vehivavy mpisolovava ity. Ny toromarika avy amin’ny filoha Ravalomanana, araka ny tati-baovao dia ny fanarahana ny fitsipika sy ny firaisankina.
Rehefa tsy manaiky ny hofehezin’ny ankolafy Ravalomanana dia tsy ato ny toerany, hoy ihany izy nanamafy. Notsiahivin’ny Me Razafimanantsoa fa i Mamy Rakotoarivelo, Manandafy Rakotonirina ary Roland Ravatomanga no mpitarika ny ankolafy Ravalomanana eto an-toerana. Ny fanapahan-kevitra rehetra dia fantatry ny filoha avokoa, raha ny fanazavana ihany. «Izay olona mieritreritra handray fanapahan-kevitra tsy avy amin’i Mamy Rakotoarivelo dia tsy ankolafy Ravalomanana izy izay», hoy ity mpisolovava ity. Notsipihiny koa fa tsy niditra an-tsokosoko tao amin’ireo rafitra isan’ambaratongany ireo olona notendrena na minisitra na mpikambana CT na CST ary dia niantoka moa ny Me Hanitra Razafimanantsoa fa tsy misy mpamadika na iray aza amin’ireo olona nampidirina tao.
Ny tarigetra, hoy ihany izy nanamafy, dia ny fampodiana ny filoha Ravalomanana. Tsy ny resaka NOTAM na fandrahonana no hanakanana azy tsy hody, hoy ihany izy. «Raha olona hampody ny filoha Ravalomanana, hanampy antsika hamaha ny krizy dia raisina an-tanan-droa», hoy ihany izy. Mbola notsindrian’i Constant Raveloson ihany koa tetsy andanin’izany fa «raha misy mikitrana dia ao raha ary mahita tombontsoa amin’izany ireo mikitrana. Misy mampirisika amin’izay vonona hikitrana», hoy ihany ity mpanao politika mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ity. «Samia manadihady sy mizaha ifotony fa mandady ny trambo. Hiezaka hifampiresaka amin’izay namana na fikambanana izay mety voampanga manketsy na makeroa izahay fa mba mety manana ny zavatra tiany lazaina sy hazavaina izy. Mampisy ny fikitranana satria tsy mitodika any amin-dRajoelina izay fahavalo iombonana ny vava-basiny fa aty amin’ny namany», hoy ihany ity mpitarika avy amin’ny Mafana ity. Ankoatra izay dia notsindriany fa «manaiky aho hoe tsy ilaina ny ho mpikambana ao amin’ny CT na CST raha olona tsy mandadilady toerana no miteny an’izany», hoy izy. Raha ny fantatra moa dia misy fandaminana vaovao ny tolona eny an-kianja nanomboka omaly ary ny zavatra rehetra dia miainga eny Bel’Air misy ny foiben’ny Tiako i Madagasikara sy ny ankolafy Ravalomanana avokoa.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.