Politique

Fiverenan’ny Filoha Marc Ravalomanana Feno fanantenana tanteraka ireo mpomba azy


  • Talata 27 Septambra 2011

Feno fanantenana tanteraka amin’ny hodian’ny Filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana ny mpitolona eny amin’ny Magro Behoririka raha tarafina amin’ny lahateny nentin’i Nenifara omaly alatsinainy.

 Tsy lasa nitsoaka izany ny Filoha Ravalomanana, hoy izy, fa manao “lobbying” hodiany an-tanindrazana. Manafatra izahay zanakao ry Dada : aza ela fa tongava fa ho marobe izahay no hitsena anao. Ento ny vahoakanareo mpitarika avy any amin’ny Faritra, hoy izy, hanampy anay eto an-toerana fa eto an-kianja no manomboka ny fampihavanam-pirenena. Ankoatra izay dia saika niompana tamin’ny fanazavana mikasika ilay fandraisam-pitenenana tany New York nomena an-dRajoelina ny votoatin’ny lahateny sisa. Izany no resabe sy ankalazaina eran’ny tanàna, hoy i Camille Mektoub. Na tany New York aza ianao ary niteny, tsy milaza izany fa manaiky anao ny Bekintana, hoy izy, fa samihafa ireo. Tsy tany ary tsy nahazo fitenenana i Andry raha tsy nanao sonia i Mamy Rakotoarivelo sy Emmanuel Rakotovahiny, hoy Ralaiseheno Guy Maxime.

Manamafy ny tenin’ny hafa i Ban Ki Moon hoe : ampiharo amin’ny antsipirihany ny sori-dalan’i Sandton, fa miankina amin’io ny fankatoavana iraisam-pirenena. Dingana voalohany iny sonia teny amin’ny Paon d’Or iny fa amin’ny fihaonan’ireo filohan’ny Ankolafy efatra no handinihana ny zavatra rehetra. Nanamafy ny teny teo ny Pasitera Edouard Tsarahame raha nametra-panontaniana tamin’ny rehetra hoe : inona tokoa no nitranga tany New York raha tsy teny Ivato ny Ankolafy 3 ary tsy nanao sonia ny ankolafy 2 ? Fitsanganan’ny Ankolafy 3 hamaha ny krizy no nampiteny anao (Andry Rajoelina) tany. Ny nanaovanay sonia ihany koa tsy hanadio ny ratsy nataonareo fa hamahana ny krizy aloha dia eo mifankahita, hoy hatrany ny pasitera Edouard.

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT