Politique

Fiverenan’ny Amiraly Ratsiraka Mitazona an-dRajoelina amin’ny teniny ny Pr Ange Andrianarisoa


  • Alarobia 23 Novambra 2011

Nambara tamin’ireo mpikatroka Arema eto an-drenivohitra omaly tolakandro tetsy amin’ny ANS Ampefiloha ny fandaharam-potoana momba ny fahatongavan’ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka.

 Araka ny resaka nifanaovan’ny amiraly sy ny profesora Ange Andrianarisoa, lehiben’ny delegasion’ny ankolafy Ratsiraka eto an-toerana dia amin’ny alakamisy amin’ny folo ora sy fahefany maraina no higadona eny amin’ny seranana iraisam-pirenena Ivato ny fiaramanidina mitondra azy mivady araka ny nampitain’ity farany tamin’ireo mpikatroka. Amin’ny anaran’ny fihavanana sy fifankatiavana dia manentana ny olom-pirenena rehetra hitsena azy ireo ity lehiben’ny delegasiona ankolafy Ratsiraka ity. Milaza ho tsy mbola mahafantatra ny trano honenan’ny filoha Ratsiraka ny tenany. Na izany aza dia mitazona ny filohan’ny FAT amin’ny teniny kosa izy. «Nanambara i Andry Rajoelina tamin’ny volana aprily 2009 fa hanome trano fonenana iray ho azy eto an-drenivohitra ankoatra ny fanamboarana ny tranony any Ambodiatafana. Nampanantena ny hitsena ny filoha Didier Ratsiraka makotrokotroka amin’ny maha filoha teo aloha azy koa ny tenany. Ka ho hita eo ?». Tsy manan-kambara momba ny fitsanganan’ny governemanta kosa ny ankolafy Ratsiraka izay tsy anisan’ny nanao sonia ny tondrozotra. Nambaran’ny profesora Ange Andrianarisoa anefa fa «ho sahirana isika rehefa tsy iraisana».

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT