Politique

Fiverenan’ny amiraly Ratsiraka Hatramin’ny ora farany ny sakantsakana


  • Zoma 25 Novambra 2011


 Nanambara i Roland Ratsiraka, filoha nasionalin’ny antoko Malagasy Tonga Saina sady filoha lefitry ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, fa nisy minisitra iray ao amin’ny governemanta Beriziky sy tomponandraikitra ambony ao amin’ny FAT nandefa taratasy any amin’ny fanjakana frantsay sy any amin’ireo masoivohom-pirenena milaza fa tsy mbola tokony hiverina an-tanindrazana ny amiraly Ratsiraka fa tsy hampilamina ny fodiany eto sy mampahatsiaro fa olona voaheloka ity filoham-pirenena teo aloha ity. Mitsipaka sy tsy mankasitraka izany izahay, hoy i Roland Ratsiraka. Mazava eto izany fa hatramin’ny ora farany mihitsy ny sakana natao mba tsy hodian-dRatsiraka an-tanindrazana, ary io koa izany no fanapahan-kevitra voalohany noraisin’ny governemanta Beriziky. Ny resaka toy itony moa dia mifamatotra amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena, ka tsy afa-miala amin’izany ny ministeran’ny raharaham-bahiny.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT