Tsy angano intsony ny fahatongavan’ny Troika ary hampahery azy i Magro fa maika ny hanangana tetezamita tena izy, hoy i Rostand avy any Ihorombe tetsy Behoririka ny sabotsy teo.
Rtoa Marthe, avy amin’ny Ankolafy Ratsiraka, no nanohy fa tsy hoe manantena intsony ny Vahoaka Malagasy izao fa miandry ireo Filoha hendry higadona an-tanindrazana izy ireo. Tsy ankatoavin’izao tontolo izao hitondra firenena i Andry Rajoelina, hoy izy, ary tsy izy no hiantso sy hiteny fa Radidy manana vahaolana, Ravalomanana manana ary ny Pr Zafy koa manana. Ny mahavariana anefa, hoy i Zafilahay Stanislas nanohy izay avy hatrany, dia vao niteny i Deba fa manana vahaolana dia “Notam”, niteny ny Pr Zafy fa fampihavanana no ilaina dia tsinontsinoavina ny Raiamandreny. Hody aho, hoy Ravalomanana dia “Notam” koa. Efa roa taona sy tapany nitetezana an’i Madagasikara ianareo mbola katahotra ihany, hoy i Zafilahy.
Matoa katahotra dia ny vahoaka mbola an-dRavalomanana ary ny fanalahidy any amin’ireo filoha telo lahy. Vahoaka ohatra izao hitako eto amin’ny Magro Behoririka izao no nahafaka ny “apartheid” sy ny didy jadona tamin’ireo firenena ao amin’ny Troika, hoy i Manandafy Rakotonirina. Efa manomboka manala saron-tava ny sasany tsy manaiky ny sitrapon’i Andry Rajoelina intsony, hoy izy. Toko telo mahamasa-nahandro ny Ankolafy 3 ary ireo no eken’ny vahoaka. Raha nihaona tamin’ny Masoivoho Afrikanina tatsimo izahay dia hoy izy : ho avy ny Troika ary minisitra no ho avy, hoy i Manandafy.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.