Politique

Fiverenan’i Marc Ravalomanana Tsy misy mahasakana intsony


  • Talata 29 Novambra 2011

Efa tsy fotoanan’ny kabary intsony izao fa fiomanana sy fanomanana ara-tsaina sy ara-batana momba ny politika eto amin’ny firenena, hoy ny depiote Mektoub Camille raha nandaha-teny tetsy amin’ny Kianjan’ny Finoana omaly.

 Efa mamaramparana isika, hoy izy. Nanao jery todika ny lalana nodiavin’ity tolom-bahoaka naharitra telo taona ity ny tenany. Nanomboka teny Ambohijatovo, nandalo an’Ankorondrano ary dia izao tonga eo Behoririka lasa Kianjan’ny Finoana izao. Ity no tolom-bahoaka naharetan’ny fivavahana be indrindra, hoy ity mpampianatra sady depioten’i Mananjary teo aloha ity. Nandalovana, hoy izy ny miaramila sy ny lakrimozena, teo koa ny sedran’ny vola sy ny herin’ny seza. Fanontaniana moa no napetrany ny amin’izay miandry aorian’ny fahatongavan’ny filoha Ravalomanana, ny ho tohiny sy ny adidy politika miandry ny tsirairay. Anisan’izany ny fampandaniana azy amin’ny alalan’ny fifidianana madio hanarina indray ny firenena, hoy ihany ity solontenan’ny ankolafy Zafy Albert ity. Tsy voasakan’ny FAT intsony mantsy ny fodian’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana, hoy i Guy Maxime Ralaiseheno. “Na iza na iza firenena hisakana izany dia tsy hahasakana satria ny vahoaka Malagasy no mitaky izany fiverenany izany”, hoy ihany izy.

Manova zavatra be dia be ny fahatongavan’ny zanaky ny filoha sy ny mpiara-miasa aminy akaiky eto an-tanindrazana, hoy ny Ben’ny tanànan’Ankaraobato. “Tsy misy fahefana afaka misakana izany fiverenan’ny filoha izany ary midika ho fahafahana ho antsika ny fanitsahan’ny tongotry ny filoha Ravalomanana eto”, hoy ihany i Guy Maxime Ralaiseheno. Araka izany rehetra izany dia miomana ho amin’ny fitsenana ny maherifony ny eny an-kianja satria hiavaka ary ho goavana izany, araka ny fanazavana. Manoloana izany indrindra dia mampitandrina ireo mpanakorontana izy ireo sy ny ho fanajana ny filaminana sy ny harofenitra mba tsy hiverenan’ireny zava-niseho ny alahady tolakandro ireny.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT