Politique

Fiverenan’i Marc Ravalomanana Ny hevitr’ireo mpanao politika


  • Zoma 20 Janoary 2012

Na dia lalana tsy azo hihodivirana noho ny fifanarahana vita sonia anaty tondrozotra ary voalazan’ny andininy faha-20 aza, ny fiverenana an-tanindrazana tsy misy fepetra ho an’ireo sesitany any ivelany ary anisan’izany ny Filoha Marc Ravalomanana, dia mbola manana izay filazany ny amin’ny fanambarana nataon’ity farany amin’ny hiverenany eto Madagasikara rahampitso sabotsy ireo mpanao politika avy amin’ny firehana samihafa.

 Andriampilamanana Rostand (TIM)

Raha ny mikasika ny fahavononan’ny any Ihosy amin’ny fitsenana ny filoha Marc Ravalomanana dia aleo ny isan’ny delegasiona ho avy no hamaritra izany. Tsy vao izao fa efa hatramin’ny nanombohan’ny tolona 3 taona lasa izay izahay no nanomana izany satria fantatra fa tsy maintsy ho tonga ny fotoana. Manampy manokana ny any an-toerana izahay tafajanona eto Antananarivo ary izany no namelanay ny namana avy eto Analamanga hikarakara ny fiomanan’ny eto an-drenivohitra”.

SARY : Andriampilamanana Rostand

 

Randriamorasata Charles Aimé (Escopol)

Tsotra ihany ny ahy raha mikasika ity amin’ny sabotsy ity : raha ohatra araka ny tenin’ny filoha teo aloha hoe ho avy izy tsy hanakorontana, tsy hitondra korontana, ho avy hitondra filaminana hanampy ny tetezamita hanao izay azo atao, dia mihevitra aho fa tokony hiresaka any amin’ny filoha amin’izao fotoana izao aloha izy hoe : ho avy aho. Ka raha ohatra ka misy fifanarahana mialoha eo amin’izy roalahy, inono moa ny olana raha samy hoe fitiavan-tanindrazana. Fa amin’izao fotoana izao aloha mbola misy an’ilay hoe sazy mihatra ka raha ho avy izy azo antoka ve fa hitondra fitoniana sa hitondra korontana ? Ary izaho mieritreritra fa rehefa nanao iny fanambarana lehibe iny izy ka raha sanatria tsy ho avy dia ny tsy hatokisan’ny olona intsony”.

SARY : Randriamorasata Charles Aimé

 

Paul Pody (RDR)

“Ny zavatra resahako dia tsotra : Ravalomanana Marc dia Malagasy ary olom-pirenena manana ny zo hiverina an-tanindrazana izy. Na inona zavatra nitranga teto na inona nataony, izaho tsy mitsipaka ny fiverenany eto Madagasikara. Raha mikasika ny momba ny heloka nataony indray dia tsy miditra amin’izay raharaham-pitsarana izahay fa ny ahy dia ny mba hisian’ny filaminana : aleo izy hiverina, ary aleo asiana fampihavanam-pirenena mba tsy hanenjehana azy aloha. Ny zavatra angatahako fotsiny raha nisy heloka nataony teto honerany fa raha sanatria ho samborina mantsy izy dia hiteraka korontana izany. Ho an’ny tombontsoam-pirenena dia miangavy an-dRajoelina aho tsy hisambotra azy fa hanery azy hanonitra ny zava-bitany”.

SARY : Paul Pody

 

Rakotoarisoa Falihery (TGV)

“Izahay mahatsapa hoe raha izao zavatra misy eto amin’ny firenena izao dia efa misy solontena nahazo alalana avy amin’ny Prezidà Ravalomanana efa ao anaty andrim-panjakana (minisitra, CST, CT). Raha ny fomba fijeriko dia efa hitan-dRavalomanana fa efa misy fitoniana efa tonga manatitra taratasy ny masoivoho vahiny. Nisy dingana natao mankany amin’ny fahazoana fankatoavana ka asakasak’izay handrava izay dingana natao izay. Ka amiko manokana efa naverimberiko ombieny ombieny fa tsy misy olana amin’izay fahatongavany izay, ilaina izy fa betsaka ny zavatra tokony hanontaniana azy fa tsy ilaina intsony ny tsy maty manota eto amin’ity firenena ity”.

SARY : Rakotoarisoa Falihery

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT