Raha tafahaona nivantana tamin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina izahay mpitarika avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, hoy i Guy Rivo Randrianarisoa, ka niresaka mikasika an’ilay pasipaoron’ny filoha Marc Ravalomanana voalaza fa voatazona any aminy dia tsapa fa misy ahiahy eo amin’ity filoha ity ny amin’ny famerenana an-tanindrazana ny filoha teo aloha. Fa aminy aloha, araka ny nambarany ombieny ombieny ary mbola naverina hatrany dia tena te-hifototra amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa sy fijerena ny fampandrosoana ny firenena sy ny vahoaka 22 tapitra aloha ny tenany. Anjaranay, araka izany, hoy ity solombavambahoaka ity, ny mametraka ny paikady amin’izay fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana izay sy ny fandresen-dahatra ny filoham-pirenena ankehitriny Hery Rajaonarimampianina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.