Politique

Fiverenan’i Dada Kely sisa


  • Alatsinainy 23 Janoary 2012

Nibaribary tamin’ny zava-nitranga teny Ivato ny sabotsy lasa teo ny hakanosan-dRajoelina, ary mazava koa fa tsy fahatokisany ny miaramila sy ny fitsarana.

 Voaporofon’ireny fandraisana fepetra tsy voahevitra tampotampoka toy ny fanakatonana ireo seranam-piaramanidina rehetra eto Madagasikara ireny fa nipararetra ireo tandapa mpanao fanambarana isaky ny mihetsika fa hisambotra an’i Dada, sy ireo be rahom-bava sy mpanao ramatahora nanoloana ny fahasahian’ny filoha Marc Ravalomanana hiverina an-tanindrazana. Kely sisa dia ho rava io fitondrana taritokana io, kely sisa dia ho tanteraka ny figadonan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana. Teo am-boalohany (19 febroary 2011) izy nosakanana tsy hiditra akory ny fiaramanidina, ny faharoa indray (21 janoary 2012) tafiditra ary efa nisidina no nosakanana tsy hipetraka ny fiaramanidina nitondra azy. Fanitelony varomaty, hoy ny Malagasy, mantsy ilay «Jamais deux sans trois” filazan-dry zareo Frantsay, dia ho tonga amim-boninahitra.

Ny sabotsy 21 janoary teo no voatondro fa hiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana teto an-tanindrazana. Efa tao anatin’ny zotram-piaramanidin’ny Airlink tokoa izy ireo sy ireo delegasiona niara-dia taminy ary efa nisidina ny habakabak’i Madagasikara. Minitra vitsy mialoha ny tsy hidinan’ilay fiaramanidina ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena teny Ivato anefa dia nirotsaka tampoka ny NOTAM, araka ny baiko avy amin’ny filohan’ny FAT, hanidiana ireo seranam-piaramanidina lehibe eto Madagasikara ny sabotsy tolakandro manontolo. Noho izany dia voatery niverin-dalana ilay zotram-piaramanidina SA 8252 nitondra ny filoha Ravalomanana sy ny ankohonany ary ireo mpandeha tsotra tao anatiny. Manoloana iny fanakanana an’i Marc Ravalomananana tsy hody an-tanindrazana iny dia nanambara ny ankolafy Ravalomanana, tamin’ny alalan’i Mamy Rakotoarivelo, lehiben’ny delegasiona, fa hampiato ny fandraisany anjara ao anatin’ny tetezamita. Tsy hanatrika ny filankevitry ny governemanta na ny filankevitr’ireo minisitra zanak’i Dada, tsy handray anjara amin’ny fivoriana tsy ara-potoana Parlemanta hanomboka anio ireo CT sy CST avy amin’ny ankolafy Ravalomanana. “Fanosihosena tanteraka ny sori-dalana izao. Mihevitra ny filohan’ny FAT fa izy irery no mitondra ny tetezamita fa tsy ao anatiny ny fiaraha-mitantana. Tsy azo ekena intsony ny fanaparam-pahefana sy fihoaharam-pefy ataon’i Andry Rajoelina. Handray andraikitra izahay tsy hiverenan’ny zavatra toy izao intsony.

Tsy misy dikany ny nanasoniavana ny sori-dalana”, hoy i Mamy Rakotoarivelo, lehiben’ny delegasiona ny ankolafy Ravalomanana tao anatin’ny alahelo sy hatezerana nanoloana ny zava-nisy. Ho an’ny mpisolovava sady filoha lefitry ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita Hanitra Razafimanantsoa dia mazava ny resaka : “tomponandraikitra tanteraka amin’ny tsy fahatongavan’ny filoha Ravalomanana eto an-tanindrazana ary dia tompon’antoka amin’izay zavatra hitranga ny olona namoaka ny NOTAM”, hoy izy. Fihantsiana ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny fihetsik’i Andry Rajoelina, hoy ihany ny ankolafy Ravalomanana izay milaza fa ataon’ny FAT toy ny kilalaon-jaza ny fitondrana ny raharaham-pirenena.

Tetsy andanin’izany raha nikasa hilaza ny vaovao tamin’ireo vahoaka ana hetsiny maro tonga hitsena an’i Marc Ravalomanana teny Ivato ireto mpitarika ny ankolafy dia nisy nanimba ny fiara nitondra ny fanamafisam-peo.Vaky tamin’izany ny kodiarana sy ny “pare-brise”. Na teo aza ny alahelo sy hadisoam-panantenana, ary hatezerana teo amin’ireo vahoaka vokatr’ity fanakanana ny filoha Ravalomanana tsy hody eto an-tanindrazana ity, dia vao mainka nampitombo ny hambom-po ary nampiredareda ny fitiavan-tanindrazana tao amin’izy ireo izany. Betsaka aza no nilaza fa efa vita tamin’ireny ny fifidianana. Tsy ny teto an-drenivohitra ihany no nirodorodo teny Ivato fa teo indrindra koa ireo vahoaka an’arivony maro avy any amin’ny Faritra, niaraka tamin’ireo minisitra dimy zanak’i Dada, niampy an’i Tabera Randriamanantsoa, ireo mpikambana CT sy CST avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, olom-boafidy sy mpiasam-panjakana maro. Tonga teny Ivato koa ny Pr Zafy Albert, Pr Ange Andrianarisoa sy ireo lohandohan’ny mpisorona avy amin’ny firehana Zafy sy Ratsiraka. Tazana teny i Fetison Rakoto Andrianirina, ny praiminisitra teo aloha ny jeneraly Charles Rabemananjara mivady ary dia nisy ampahany tonga teny Ivato koa ireo nanara-dia ny GMMR an-dry Yves Aimé.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT