Politique

Fiverenan-dRavalomanana Mialoha sa aorian’ny fivorian’ny UA ?


  • Talata 17 Janoary 2012

Tsy maintsy hodinihina mandritra ny fivoriana ara-potoan’ny Vondrona Afrikanina ny 20 ka hatramin’ny 23 janoary ho avy izao ny famahana ny krizy eto Madagasikara, ny marimarina kokoa dia ny fampiharana ny tondrozotra, satria izay ihany, no maridrefy eken’ny sehatra iraisam-pirenena.

 Efa tafatsangana ny governemantan’ny firaisam-pirenena tarihan’ny praiminisitry ny marimaritra iraisana, am-perinasa ihany koa ny parlemanta misy ny ankamaroan’ireo ankolafin-kery politika, an-dalana ny fananganana ny CENI, tokony tsy ho ela ihany koa ny fampijoroana ilay Komitim-pirenena momba ny fampihavanana saingy mbola mampandringa ny fampiharana ny tondrozotra ny tsy mbola fahatanterahana an-tsakany sy an-davany ny fampodiana ireo sesitany sy famoahana ny gadra politika rehetra. Tsy misy ny fahagagana ka hoe hiova hevitra tampotampoka eo ny sehatra iraisam-pirenena, fa izay nosoniavina dia tsy maintsy tanterahana. Efa tandindon’ny mety ho fehin-kevitra avoaky ny Vondrona Afrikanina ato ho ato ihany, ny lahatenin’ny zokiolona amin’ny masoivoho vahiny eto amintsika, teny Iavoloha ny alakamisy 12 janoary lasa teo.

Ny tondrozotra, ary ny tondrozotra ihany no fantatry ny fianakaviambe iraisam-pirenena, hoy izy, raha misy ny tsy mety azo ahitsy, antsoina ireo tsy mbola niditra anatin’ny rafitra tetezamita mba hiditra ao, ary tanterahana ny fampiharana ilay andininy faha-20. Ny fanontaniana mipetraka fotsiny eto dia ny hoe : hiandry io fivorian’ny Vondrona Afrikanina io ve, Atoa Marc Ravalomanana vao ho avy eto Madagasikara sa handray ny risika rehetra, araka ny nambarany ka na ho vy, na ho vato dia tsy maintsy tonga eto izy ? Inona ihany koa no tian’ny Amerikanina ambara amin’ilay hoe : aorian’ny fivorian’ny Vondrona Afrikanina vao hilaza ny hevitray izahay ? Vonona ny hiaro an’i Marc Ravalomanana sy hampody azy eto ve i Etazonia, sa ahoana ? Maro no efa mamisavisa fa raha hisambotra an’ity filoha teo aloha ity marina ny Emmo-Reg dia mety hialokaloka ao amin’ny masoivoho Amerikanina izy, mandra-pilamin’ny resaka aloha.

Hatramin’ny 2009 no ho mankaty, dia hita fa nanaja hatrany ny antanatohatry ny fanapahan-kevitra teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena Atoa Ravalomanana, ary efa niantso ny mpomba azy izy, mba haharitra fa tsy ho maimaika. Ka asa hoe, ahoana indray no hitranga amin’ity indray mitoraka ity, fa ny fandraisan’ny olona ny fanambaran’ny filohan’ny Kongresy teny Iavoloha aloha dia tsy maintsy ho tonga eto Madagasikara amin’ity volana janoary ity, ingahy Ravalomanana, satria izay no hoe : ho avy …tsy ho ela !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT