Politique

Fiverenan-dRavalo Raikitra sahady ny ramatahora tetsy Ivato


  • Talata 17 Janoary 2012

Tsy niandry ela akory dia nasiana fiofanana tampotampoka momba ny fiarovana ny seranam-piaramanidina.

 Vondrona maromaro teo anivon’ny zandary no nanao fampisehoana teny an-toerana omaly ary niaka-midina tamin’ny fiaramanidina iray miaraka amin’ny basy. Entina hampisehoana hery sy sandry izany. Endrika iray hilazana fa vonona ny hiatrika ireo mpitandro ny filaminana Malagasy. Fa maninona anefa no tampotampoka teo ary koa mifandraika amin’ny filazan’ny filoha Ravalomanana fa ho fantatra ny alarobia izao ny fahatongavany ? Tsy mila hazavaina intsony ny mety ho fifandraisan’izany. Mainka koa nampian’ny lehiben’ny CIRGN fa efa vonona ny hitsena azy izy sy ny zandariny raha toa ka higadona tokoa eto an-drenivohitra ny filoha Ravalomanana. Izany dia mba ho fampiharana ny didy fampisamborana raha araka ny fanazavan’io lehiben’ny zandary eto an-drenivohitra io. Raikitra ny ramatahora etsy sy eroa kanefa tsy mbola nolazaina mazava ny fotoana hahatongavan’ny filoha Ravalomanana. Midika izany fa tena atahorana mafy io farany ary mahavita zavatra tampoka mihitsy ny mpitandro ny filaminana sasany mba hampisehoana ny talentany… Toy ny fiofanana tampotampoka izay nanafarana mpanao gazety maro mba hijery izany…
S.T

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT