Politique

Fivavahana sy politika Afaka miaraka tsara


  • Alakamisy 15 Febroary 2018

Miteraka adihevitra amin’ny samy Malagasy ny fifangaroan’ny resa-pinoana sy ny politika eto Madagasikara. Iaraha-mahalala sy mahita fa mivavaka ny Malagasy, maro ny antokom-pinoana miforona eto amintsika. Mifanindran-dalana amin’izay ihany koa anefa ny fahamaroan’ny antoko politika eto an-tanàna.

 

 Mampametra-panontaniana  anefa fa latsaka anaty kizo i Madagasikara ary miha-mahantra hatrany ny firenena na dia hita fa mivavaka sy manam-pinoana aza ny ankamaroan’ny Malagasy. Raha mijery ireo firenena matanjaka tahaka an’i Frantsa, izay nivoy ny tsy fifangaroan’ny politika sy ny fivavahana, dia iaraha-mahita aloha fa dia nandroso ary nety tamin-dry zareo izany. Mifanohitra amin’izay indray anefa ny firenena Amerikanina sy ny Anglisy izay tena mampifandray ny fitantanana ny firenena sy ny fivavahana kanefa dia mandroso ihany koa ary tena manankarena, samy manana ny fomba fijeriny moa. Nanontany ny hevitry ny olona sendra azy ny gazety Tia Tanindrazana ny amin’ny izay resaka finoana sy politika ary fitantanana ny firenena izay.

Pasteur Tiana : Tsy maintsy mivavaka ny Malagasy raha te hiala amin’izao fahantrana izao. Kapoka no mahazo antsika ka mila miverina hatrany amin’Andriamanitra isika ary tokony hiatomboka amin’ny filoham-pirenena ny fibebahana.

Marius : Mialokaloka ambadiky ny fivavahana ny mpanao politika eto amintsika kanefa ny fitiavan-tenany no betsaka ary tsy mitsinjo mihitsy ny mpiara-belona aminy. Hataony fitaovana fotsiny hahazoany seza sy hanaovany propagandy ny fivavahana.

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT