Miandry ny hevitry ny Fitsarana Avo Momba ny Lalŕmpanorenana ny Antenimierandoholona raha mifanaraka amin’ny Lalŕmpanorenana na tsia ny fitsipika anatiny hifehy ity
andrimpanjakana ity, taorian’ny nandanian’ireo Loholona ny fitsipika anatiny tamin’ny 2008 nasiana fanitsiana. Mbola namita iraka any ivelany anefa ny filohan’ny Fitsarana Avo Momba ny Lalàmpanorenana, ka miandry ny fiverenany ny fandinihana io fitsipika anatiny io, aorian’izay vao hitohy indray ny fivoriana etsy Anosikely.
Araka ny fanitsiana nentin'ireo Loholona dia raha roa ny isan'ireo Filoha lefitra tao amin'ny fitsipika anatiny teo aloha, dia lasa fito izany ankehitriny, izany hoe Filoha lefitra iray isaky ny Faritany ary iray ho an'ny mpanohitra. Lasa roa ihany koa ny Kestora ary roa ny Mpampakateny. Mijanona fito ihany ny isan' ny Vaomiera Maharitra.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.