Anisan’ny fototry ny olana eto Madagasikara ny tsy fanarahan`ny Malagasy ny fitsipi-pitondran-tena.
Tsy misy lehibe ve isika ? Samy manao izay saim-patany ny tsirairay fa tsy misy intsony ny manaraka lamina. Misy no manao ny malotony etsy sy eroa, eo ihany koa ireo posy sy sarety tsy manaraka ny lalàna ny fifamoivoizana, manasa fiara etsy sy eroa… Misy ihany ny lalàna sy fitsipika tokony arahina kanefa toy ny fitondram-panjakana foana no voatsikera. Tompon’andraikitra amin`izany ihany koa anefa ny olo-pirenena. Ahoana no hisian’ny finiavana sy fiaraha-mientana handroso eto Madagasikara ? Hiandry loza mitatao amin’ny firenena ve isika vao hanam-piniavana sy hiara-mientana handroso ? Nahoana moa no ilaina ny finiavana handroso ? Nahoana koa no ilaina ny fiaraha-mientana handroso ? Ary avy aiza no hahazoana na hahatongavan’ny finiavana sy fiaraha-mientana ? Ilaina dia ilaina tokoa ny finiavana handroso, satria raha tsy misy io finiavana io dia tsy hisy fandrosoana ho tongatonga ho azy eo amin’ny firenena. Ilaina ihany koa ny fiaraha-mientana handroso eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra, satria raha tsy misy fiaraha-mientana dia mandringa ny fandrosoana, ary dia mety hiteraka ady an-trano mihitsy aza, satria ny olona sasany te-handroso, na te-hanaraka karazana fandrosoana iray, nefa ny olona hafa kosa tsy te-handroso, na te-hanaraka karazana fandrosoana hafa. Raha tsy mahalala ny maha izy azy ny Malagasy tsirairay, tsy handroso ny fiarahamonina sy i Madagasikara. Rehefa tsy mahalala ny maha izy azy dia tsy handroso mihitsy. Adidy tsotra kanefa mavesatra no takina amin`ny Malagasy. Matoa ny firenena iray manana ny tanjaka mampiaiky izao tontolo izao, mahatazona ny maha izy azy izy iray. Marefo kosa ireo firenena azo sy afaka ary manaiky lalaovin`ny vahiny.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.