Politique

Fitsipaham-pitokisana ny governemanta Maty momoka indray


  • Alakamisy 09 Novambra 2017

Maty momoka na nitsefotra ilay hevitra hametraka fitsipaham-pitokisana ny governemanta saika hataon’ireo solombavambahoaka eny Tsimbazaza fa vitsy mpanaraka.

 

 Nambaran’ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas avy any Betroka nikononkonona azy ity omaly fa hatsahatra hatreo aloha ilay fanangonan-tsonia nataon’ireo depiote notarihany mba hampitoniana ny tontolo politika mavaivay eto amin’ny firenena  ankehitriny. Heno koa anefa tetsy an-kilan’izay fa nisy ny fihaonana teo amin’ny praiministra Mahafaly Solonandrasana Olivier sy ireo niketriketrika ny « motion de censure » ity ka nahatonga ilay izy nitsefotra toy izao. Voalaza aza fa ny filohan’ny antoko HVM no sady filohan’ny antenimierandoholona Rivo Rakotovao, mihitsy  no niditra an-tsehatra nampifanatona ny an-daniny sy ny an-kilany mba hampitsaharana ny disadisa miseho eo anatrehan’ireo olona mpomba ny fitondrana. Afaka mandry ivohon’ny vato indray aloha ny praiminisitra Solonandrasana Olivier raha hifanatrika mivantana miaraka amin’ireo minisitra tarihany amin’ireo solombavambahoka eny Tsimbazaza ny alakamisy 23 sy ny zoma 24 novambra ho avy izao. Fa mandra-piandry izay aloha dia azo antoka fa hangotraka ny eny Tsimbazaza eny anio mandritra ny fihainoan’ireo depiote amin’ireo tompon’andraikitra rehetra voakasiky ny tsy filaminam-bahoka.

 


 

NtsoavinaEvariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT