Fanaon’ny mpanao politika fotsiny no midradradradra ny fitsinjaram-pahefana tena izy.
Marihana fa ity fitondrana ity dia nampanantenaina izany. Raha ny marina, mifanohitra amin’izany no zava-misy. Mitazona fahefana ho azy irery. Raha tokony ho niroso tamin’ny fifidianana isam-paritra dia naleon’ny fitondrana foibe nanendry governora hasolo an’ireo lehiben’ny faritra. Araka ny lalàmpanorenana izay nolaniana nandritra ny tetezamita, izany hoe nandritra ny fitondran-dRajoelina dia tsy maintsy olom-boafidy ireo governora. Saingy amin’izao, lavitry ny afo ny kitay raha ny fitsinjaram-pahefana no hasian-teny. Hatramin’izay, tsy nisy mpitondra sahy nampihatra io rafi-pitantanana io teto amintsika. Niresaka azy fotsiny ireo fitondrana nifanesy. Ka hanao ahoana ity taona 2020 ity ? Tsy mirona amin’izany ny fitondrana ankehitriny na dia mitaky ny fitantanana ny CLD azy ireo depiote. Ireto farany rahateo dia manafangaro hatrany ny asany sy amin’ny asan’ny mpanatanteraka.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.