Politique

Fitsinjaram-pahefana tena izy Fandrosona ifotony ara-bola no andrasana


  • Alakamisy 10 Oktobra 2019

Ny lalàna 020-2014 no mamaritra ny fitsinjaram-pahefana eto amintsika aminny fitantanana ny faritra.

 

 Ny lalàmpanorenana rahateo dia manazava fa ny faritra dia manana anjara andraikitra amin` ny fandaniam-bolam-panjakana. Araka izany, tokony hisy ny “execution budgetaire” eny anivon`ny faritra. Ny andrasana aloha dia ny fanatanterahina ny fidinan` ny fandaniam-bolam-panjakana ny  eny amin` ny faritra. Rehefa tonga eny amin` ny faritra mantsy dia tonga any amin` ny kaominna. Avy eo ny kaominina dia midina eny amin`ny fokotany. Io fampandrosoana ifotony tenenina io dia ifotony ara-bola moa tiana resahina. Rehefa tonga eny amin`ny fokontany ny vola dia izay vao azo atao hoe mandroso ny firenena. Raha ny voalazan` ny lalàmpanorenana ao amin` ny and. faha 148, “ny kaominina no vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana fototra” . Midika izany fa hatomboka amin`ny ben` ny tanàna sy ny mpanolotsaina ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Tsy misy fahefana rehefa tsy misy vola saingy ny zava-misy amin` izao dia mbola sarisary ny fitsinjaram-pahefana. Ny fahefana mody omena saingy ny vola fehezin` ny fanjakana foibe. Raha tiana hampandroso ny kaominina dia ny vola atao midina tsikelikely any aminy, satria izy ireo dia manana sahan` asa maro ka isika no mieritreritra hanamboatra ny lalàna. 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT