Politique

Fitsinjaram-pahefana eto Madagasikara Mbola ezaka ny fametrahana azy


  • Alarobia 18 Desambra 2019

Tsy tafapetraka amin’ny tokony ho izy ary tsy mirindra mihitsy ny fitsinjaram-pahefana eto Madagasikara. T

 

 

 

sy voatandrina ny fampiasana ny volam-panjakana ary tsikaritra fa mitady hivangongo ao amin’ny filoham-pirenena avokoa ny fahefana amin’izao fotoana. Nanambara anefa ny praiminisitra fa tsy afaka mampandroso ny firenena Malagasy raha tsy mipetraka ny fitsinjaram-pahefana, ary  ilaina ny mametraka fahefana afaka manapa-kevitra eny anivon’ny faritra. Raha tsy manakaiky ny vahoaka ny fahefana manapa-kevitra dia tsy hifandray amin’ny tena filàna sy laharam-pahamehana, hoy izy ny fampiasam-bolam-panjakana. Hatreto dia mbola olana ny fahaleovantena ara-bola eny amin’ny faritra ary miambakavaka hatrany ireo mpanapa-kevitra. Tokony hisy ihany koa ny fampitaovana ireo faritra, mba hampandeha haingana ny fampandrosoana, hoy ny praiminisitra, Ntsay Christian nandritra ny lanonam-panokafana ny atrikasa mikasika ny fanohizana ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana eto Madagasikara omaly teny amin’ny Carlton Anosy.

 

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT