Nahazo fanasana avy amin’ny filoha Afrikanina Tatsimo Jacob Zuma hiatrika ny fivoriana faha-37 ho an’ny firenena mpikambana eo anivon’ny SADC hatao ny 19-20 aogositra any Afrika Atsimo ny fanjakana Malagasy.
Mialoha izay dia mbola hanatrika ny fianianan’ny filohan’i Rwanda any Kigali rahampitso zoma 18 aogositra. Hitarika ny delegasionina ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier. Fivoriana iraisam-pirenena no hatrehina, ka mila halefa mialoha ny lisitr’ireo delegasionina Malagasy hiara-dia amin’ny praiminisitra. Teo no niseho ny nafenina satria nipoitra ilay taratasy misy ny lisitra anaran’olona 9 ka ny 3 amin’ireo no tompon’andraikitra eo anivon’ny fiadidian’ny primatiora, izay ahitana mpanolotsaina manokan’ny praiminisitra, mpiambina akaiky sady mpanampy azy ary ny talen’ny serasera eo anivon’ny primatiora. Ny 2 kosa mpanao gazety, ary ny 4 ambiny, dia ny vady aman-janany. Ny fanjakana Malagasy, araka izany, no miantoka ny fandaniana matoa nampidirina tao ireo anarana ireo. Hiala eto Antananarivo anio alakamisy 17 aogositra ary higadona any Rwanda anio ihany izy ireo. Rahampitso no hiala ao hihazo an’i Afrika Atsimo, ary hitodi-doha an-tanindrazana ny 21 aogositra. Andeha hivory hikatsaka ny tombontsoam-pirenena tokoa sa hiliba sy hitsangantsangana hombam-bady aman-janaka ? Izao tokoa angamba ilay hoe manararao-paty ara-bakiteny, ka hararaotina ny toerana maha praiminisitra mba hahafahana miliba sy manao fiainana, ary indrindra hanomezana fahafaham-po ny vady aman-janaka. Manao izay tian-katao satria eo am-pelatanana ny fahefana ary malalaka ny fandaniam-bolam-panjakana satria tsy misy afaka hibedy. Tsy atao mahagaga raha fanjakan’ny mpiliba sy mpanao kolikoly no hanasokajian’ny vahoaka Malagasy ny fanjakana HVM. Ny mpitarika tokony halain-tahaka aza izao no hafitsony, mainka fa ny hafa. Ny lohany indray no matsatso e ! Fantatry ny filoham-pirenena ve izao toe-javatra mamohehatra manaratsy endrika ny fitondrana izao ? Efa fanjakam-boalavo tokoa angamba, ka samy mikepoka sy mamotika izay sendra azy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.