Maresaka eran’ny tanŕnan’Antsirabe ankehitriny ny fahatongavan’i Dada ny sabotsy izao.
Saika miresaka izany avokoa na ireo mpomba na ny tsy mankasitraka ity filoha teo aloha ity. Amin’ny ankapobeny aloha dia ireo mpomba ny fitondrana amin’izao fotoana ka mankasitraka ny HAT no hita ho tsy dia faly loatra amin’ny fahatongavany saingy mody mankahery tena amin’ny hoe : «aleo izy ho avy fa miandry azy ny fitsarana e !». Ny zavatra tsikaritra dia efa tena seriny tanteraka ireo vahoaka marobe amin’ny fiomanana hitsena ity filoha ity rahampitso sabotsy. Raha ny fantatra dia efa am-polony maro ireo fiara vaventy fantatra fa efa voafandrika ho any amin’ity fitsenana ity ary ireo mpikarakara ao amin’ny kianjan’ny Magro moa dia efa vonona amin’ny fandraisana ny anaran’ireo olona handeha amin’izany fitsenana izany. Anisan’ny tsikaritra ihany koa ny fisiana karazana karatra kely iambozonana misy ny sarin’i Dada miparitaka eran’ny tanàna indrindra iny faritra Antsenakely sy Avaratsena iny eny fa hatrany am-pivarotana samihafa any, izay toa manambara fa vonona tanteraka ny vahoakan’Antsirabe amin’izany fitsenana ny filoha izany. Na izany aza moa dia misy ihany ireo miahiahy fa sao dia tsy ho tonga indray ity filoha ity saingy efa vonona ihany ho any Antananarivo. Ahiana indray ny mety hisian’ny antsojay atao amin’ireo tompona fiara amin’izao fitsenana an’i Dada izao ka ho hita eo ihany. Dia samy miandry ny andro malaza rahampitso sabotsy izany ny vahoaka e !
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.