Politique

Fitsarana ny raharaham-pifidianana Ho ara-politika fa tsy araka ny lalàna…


  • Alatsinainy 30 Desambra 2019

Sarotra ny fandidiana ho an’ny fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana miantsoroka ireo fitoriana momba ny fifidianana ben’ny tanàna.

 Azo antoka fa zavon-tany ny fitoriana. Manana ny fahaleovantenany ity rafi-pitsarana ity, saingy azo eritreretina ny tsindry samihafa mivantana na an-kolaka mahazo azy ireo, ka ny eo amin’ny fanjakana no tena afaka manao izany. Ny fitoriana arahina porofo ihany koa anefa zavon-tany. Raha tarafina amin’ny efa nataon’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), dia tena niharihary ny fitsarana tsy tena araka ny lalàna, fa tena ara-politika. Niaraha-nahita tamin’ny fifidianana filoha ny azo raisina fa tsy mitombina. Tamin’ireny anefa, dia efa mpahay lalàna maro no nampiasain’ny kandida toy ny “legal team” avy amin’ny kandida Ravalomanana. Tena ireny mpahay lalàna ireny ve izany no tsy mahay matoa nambara fa azo raisina fa tsy mitombina sa tsy maintsy nirosoana ny fitsarana tsy araka ny lalàna noho ny antony maro, toy ny tsindry na fanambazana nandeha ? Anisan’ny adihevitra tamin’ireny fotoana ireny ny resaka laharan’ny biletà (numéro de série), izay ambaran’ny lalàna fehizoro 2018-008 momba ny fifidianana ao andininy faha-120 tapany faha-4, fa ny bileta tokana rehetra dia tokony hisy "numéro de série" io avokoa. Tsy nampiana izany ny biletà fa ny “souches” ihany, izay antony iray lehibe mety nahafahana nanafoana ny fifidianana, saingy tsy nisy an’izany. Raha miverina aty amin’ny fifidianana ben’ny tanàna, dia ambaran’ny andininy faha-10 amin’io lalàna fehizoro io ihany, fa azon’ny rehetra arahi-maso ny lisi-pifidianana. Hanahirana ity raharaha ity satria iny efa nanipy baolina aty amin’ny Tribonaly misahana ny ady hifanaovana amin’ny fanjakana ny CENI teo anatrehan’ny fangatahan’ny kandida Rina Randriamasinoro sy ny ekipany hampitahana ny lisi-pifidianana voasonia tamin’ny fifidianana depiote sy ben’ny tanàna. Sarotra ny fandidiana, saingy mbola afaka manipy baolina na mandray fanapahan-kevitra mety tsy hivaona firy amin’ny nataon’ny CENI io fitsarana io, dia any amin’ny filankevi-panjakana indray ny làlana farany ho an’ny tsy afa-po.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT