Politique

Fitsarana manokana momba ny hetra Hanapahan-doha an-dRavalomanana sy Rajoelina


  • Alarobia 20 Jolay 2016

Niato ny fandinihana sy fanapahana ilay volavolan-dalàna momba ny fitsarana manokana momba ny heloka ara-toekarena sy ara-ketra.

Ny fanapahan-kevitry ny antenimieram-pirenena sisa nandrasana saingy maro ireo solombavambahoaka tsy nety handinika ity volavolan-dalàna ity nandritra ny fivoriana tsy ara-potoana ka dia nahemotra ny fandinihana azy. Natao hitsarana ny raharaha teo anelanelan’ny taona 2002 ka hatramin’ny fiafaran’ny Tetezamita ity rafi-pitsarana ity. Mibaribary fa misy ifandraisana amin’ny resaka politika ny fananganana ity rafi-pitsarana, izay voafaritry ny volavolan-dalàna lah.014/2016 tamin’ny 02 jona 2016 ity. Nahoana no io vanim-potoana io ihany no nosoritana ? Miteny ho azy ny vanim-potoana hoe ingahy Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina indray no kasaina hosimbaina amin’izao kajikajy izao. Samy efa naneho ny ho firotsahany amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny taona 2018 izy ireo ka dia mandeha sahady ny antsojay. Mpifanandrina mivantana tena atahoran’ny HVM ireto mpanao politika roa ireto ka may ny endim-boanjon’ingahy Hery Rajaonarimampianina sy ny ekipany mitady hevitra hanapahan-doha azy roalahy. Mihevitra ve ny HVM fa mbola hiverina eo amin’ny fitondrana am-pilaminana raha toa ahilika tokoa ireo olona atahorany mafy ireo

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT