Politique

Fitsarana Malagasy Sakana ho an’ny mpampiasa vola vahiny


  • Alakamisy 16 Jona 2016

Mitodika amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny asam-panjakana ankehitriny ny fitondrana mijoro, hoy ny filohan’ny Repoblika Rajaonarimampianina Hery.

 

Tafiditra ao anatin’izany ny fitokanana ireo biraom-panjakana hifaneraserana mivantana amin’ny mponina, araka ny fanazavany. Fepetra fototra voalohany takian’ireo mpampiasa vola vahiny eto Madagasikara moa ny fitsarana azo antoka mampanjaka ny mangarahara miaraka amin’ny fahadiovam-pitantanana. Mason-tsivana roa mbola lesoka sy sakana ho an’ireo mpanambola avy any ivelany ho avy eto amintsika hatreto na dia nampirehareha ny filoham-pirenena aza nandritra ny fitokanana ilay «guichet unique» teo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany teny Anosy omaly. Niverimberina tamin’ny lahateny nataony rahateo ny hoe «fitsarana azo itokisana, fitsarana mandala ny fahamarinana, fitsarana mamaly ny hetahetam-bahoaka, fitsarana tsy miandany na koa ny fitsarana manakaiky ny vahoaka». Voambolana vitsivitsy izay mijanona ho nofinofy sy filamatra hatreto ho an’ny fiarahamonina eto Madagasikara. Miainga sy mifototra avy amin’ny fitsarana anefa ny fametrahana ny tany tan-dalàna sy ny fahefam-panjakana. Fitaovana fotsiny ihany ireo rafitra samihafa fa ireo olona miasa ao anatin’izy ireny no tena mampandroso na mampihemotra ny firenena, hoy ihany ny filoham-pirenena. Nanentana sy nampirisika ny mpiasam-panjakana amin’ny fandraisana andraikitra rahateo moa ity farany.

100 andro mifanesy

Mifikitra amin’ny fanatanterahana asa ao anatin’ny 100 andro mifanesy hatramin’izao ny fitondrana Rajaonarimampianina. Zava-bita manaporofo izany ny fijoroan’ilay birao iombonana eny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany. Tafiditra ao anatin’ilay fomba fiasa «méthode par des résultats rapides» mantsy izy io, araka ny nambaran’ny minisitry ny fitsarana Andriamiseza Charles. Natao hikirakira haingana ireo antontan-taratasim-pitsarana momba ny didy sy matoandidy, ny visa sy ny pasipaoro moa ny «guichet unique» vaovao eny Anosy. Fe-potoana izay tsy hihoatra ny 15 andro intsony raha am-bolana izany teo aloha.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT