Hatreto dia mbola mody maina ireo olona manan-draharaha ao amin’ny Fitsarana Antsirabe amin’izao fotoana.
Raha ny zava-misy dia ireo olona manan-draharaha avy any ambanivohitr’i Vakinankaratra no tena mitaraina satria tsy dia naharaka ny zava-misy ka tonga ihany hatramin’ny alatsinainy teo. Tankina tanteraka anefa ireo olona rehefa tonga eo am-bavahadin’ny lapan’ny Fitsarana Antsirabe. Sorabaventy natao goavam-be misy soratra «Misaona ny fitsarana ! Maty novonoin’ny Polisy ny mpitsara Rehavana » no mitsena ny olona eo. Tazana mivezivezy eo ihany ireo mpitsara manao fanamiana ny maraina fa dia tsy mandray olona izy ireo. Raha ny olona sendra nanontaniana moa dia nilaza fa izay nanan-draharaha ny 12 desambra teo dia efa nasaina miverina ny 16 janoary 2012 satria any vao horaisina indray ny raharahany.
Isan’andro anefa dia tonga hatrany ireo mponina ivelan’ny renivohitr’i Vakinankaratra ka efa nahazo ny datin’ny fitsarana hatrehiny no tonga maro manoloana ny lapan’ny Fitsarana Antsirabe ka eo vao miverina. Fimenomenomana no re. Tsapan’ny mponina fa noho ny olana rehetra mitranga eto amin’ny firenena dia toa ny madinika hatrany no tena mizaka ny vokany fa tsy misy mijery ny tombontsoan’izy ireo izany ny mpanao politika sy ny manampahefana eto Madagasikara.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.