Politique

Fitsarana Anosy Tsy hita izay nalehan-dRajoelina


  • Alakamisy 12 Aprily 2012

Nanao rodobe teny amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy omaly ny lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny ankolafy Zafy Albert hanontany ny lehiben’ny mpampanoa lalàna vaovao momba ny fitorian’ny profesora Zafy Albert amin’ny raharaha andramena.

 Fitoriana napetraka tamin’ny volana septambra 2011 io izay mahasaringotra an’i Andry Rajoelina saingy toa mivalona anaty vata sarihan’ny fitsarana fotsiny hatramin’izao. Tapa-kevitra hanetsika ny fitoriany ity ankolafy ity izay nandefa an’i Miandrisoa Jean Marcel, Ravololomanana Lalatiana ary koa ny pastera Tsarahame Edouard teny amin’ny Lapan’ny fitsarana Anosy. Raha nigadona teny an-toerana izy ireo omaly alarobia 11 aprily, tamin’ny 10 ora maraina, dia tsy navela hihaona tamin-dRajoelina Hugues, ilay mpampanoa lalàna vaovao, vao napetraka herinandro lasa izay. Nifampiresaka tamin’ny mpisolovava ankapobeny tany amin’ny rihana faratampony ao amin’ny Lapan’ny fitsarana ireto delegasiona vao nahazo fahazoan-dalana hankao amin’ilay tomponandraikitra tadiaviny. Ity farany anefa tsy tao amin’ny biraony tamin’ny fiverenany. Tsy nisy ny fanazavana azo raha tsy niasa mihitsy izy io omaly io na koa raikitra amin’ny andraikitra hafa.

Eo anatrehan’izany dia nangataka fihaonana ofisialy amin’ny mpampanoa lalàna ireto mpiara-dia mafana fo amin’ny fanohanana ny filoha Zafy Albert ireto saingy tsy mbola fantatra ny daty. “Mila ny marina sy ny mangarahara isika raha tiana ny hifampatoky sy handamina”, hoy Ravololomanana Lalatiana. Nanampy koa ny Pr Miandrisoa Jean Marcel, lehiben’ny delegasiona ankolafy Zafy Albert, fa “an’ny Malagasy rehetra ny fitsarana ka izay no antony hamantarana ny tohin’ny raharaha”.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT