Politique

Fitsarana Afaka izy telo voasambotra teny Ambohijatovo


  • Talata 08 Mey 2012


 Niakatra fitsarana omaly izy teo mirahalahy, dia Randriamanantsia Maminiaina Norbert, Rakoto Louis ary Rasoloarivelo Andoniaina nosamborin’ny mpitandro ny filaminana ny 28 aprily 2012, andro nikasan’ny parlemanteran’ny tetezamita avy amin’ny ankolafy Ravalomanana hanao tatitra tamin’ny vahoakan’Antananarivo tao amin’ny Kianjan’Ambohijatovo.

Anisan’ny vesatra niampangana azy ireo ny faniratsirana mpitandro filaminana, fanimbana fananam-bahoaka, filazana fa tsy maintsy matinay Rajoelina, ny fitangorongoronana tsy nahazoana alalana. Fiampangana izay nolavin’izy ireo tanteraka. Taorian’ny fifandaharana dia nangataka fahafahana madiodio ho azy ireo ny mpisolovava Noro Rabemananjara, iray amin’ireo niaro azy ireo satria heverin’izy ireo fa tsy misy porofo ary tsy misy vavolombelona nijoro teo alohan’ny fitsarana mikasika ireo fiampangana ireo. Tsy fantatra ihany koa ny mpitory tamin’ity raharaha ity. Rehefa nandinika ny fitsarana dia namoaka didy, nanafaka noho ny fisalasalana azy telo mirahalahy ireo. Horakora-pifaliana sy tehaka no nandraisan’ny vahoaka maro tonga teny amin’ny Lapan’ny fitsarana Anosy nanaraka akaiky ity raharaha ity.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT