Ny fikolokoloana ny “tsy maty manota” izay omena vahana sy arovana amin’ny alalan’ny kolikoly, ny fitsabahan’ireo manampahefana ambony sivily sy miaramila,
ny toetra sy toe-tsaina mifampiaro rehefa samy iray asa, iray faritra fiaviana sy iray foko ary iray antoko politika, ny fampihorohorona sy famaizana miendrika valifaty, ny tsy fahatokisan’ny vahoaka ireo rafi-panjakana, indrindra ny fitsarana sy ireo mpitandro ny filaminana miampy ireo dina tsy mbola nekena ny maha ara-dalàna azy ireny nefa manaiky ny fanamelohana ho faty ireo “olona heverina fa meloka” no antony mafonja azo hanazavana ny fisian’ny fitsaram-bahoaka, hoy ny avy eo anivon’ny CNIDH na ny vaomieram-pirenena mahaleotena momba ny zon’olombelona. Kolikoly amin’ny endriny rehetra, raha aravona. Tsy afaka ny hangina ny CNIDH mikasika ireo fitsaram-bahoaka mitady ho lasa fahazarana eto amin’ny firenena nanomboka tamin’ny famonoana vahiny roa lahy tany Nosy be.
Mitaky fanekena ny Dina
Manameloka mafy ireo fitsaram-bahoaka rehefa tsy vokatry ny fiarovantena ara-drariny izahay, hoy izy ireo, ary malahelo ireo ain’olona nafoy. Miantso ireo tompon’andraiki-panjakana mba hanatsarana ny fahaizana mitantana, indrindra ny ady izay tokony hahomby amin’ny kolikoly sy hanamafy ny Fanjakana tan-dalàna. Miantso ireo manampahefana voakasika amin’io mba handray fepetra haingana hampitsaharana io fomba io. Mampirisika ireo manampahefana mba hanohy ny fandraisana fepetra henjana amin’ireo mpiasam-panjakana izay«voavidy sy mandray kolikoly». Mitaky mafy amin’ny fanjakana ny fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly. Mampirisika ny fiarahamonim-pirenena hampiroborobo ny fanabeazana ho olom-pirenena, indrindra ny fanajana sy ny fiarovana ny zo iainana. Mangataka amin’ny minisiteran’ny fitsarana mba hampandraisana anjara ny CNIDH amin’ny ny fanekena ireo dina.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.