Politique

Fitsanganan’ny biraon’ny CFM Misy politika maloto sahady


  • Talata 17 Oktobra 2017

Tafapetraka soa aman-tsara ny Biraon’ny Filan-kevitry ny fampihavanana Malagasy na ny CFM. Mipetraka dieny aty am-piandohana ny mety ho fiantraikan’ny fisain’ity rafitra ity hoe ho tonga amin’ny tanjona tratrarina sa hitsefotra toy ny teo aloha hatrany ?

Loharanom-baovao iray kosa no nahalalana fa antony lehibe tsy nahalany ny kandida iray nifaninanana ho filohan’ity rafitra ity ny nanambarany fa hamela ny Kolonely Lylison hiaina sy hivoaka an-kahalalahana ary hangataka ny hahafahan’ny orinasa Tiko AAA hiodina an-kahalalahana izy raha lany ho filoha. Isan’ny tafiditra ao anatin’ny fampihavanam-pirenena rahateo ny famelana ny mpanao politika tsirairay hiaina an-kahalalahana tsy misy henjikenjika ara-politika sy famotehana an-kolaka. Nandeha kosa anefa ny toromarika tany ho any amin’ny tsy hamelana io olona io ho lany satria mety hanohintohina ny tombotsoan’ny mpitondra na ny herivelona hafa ny fahalaniany. Mipetraka araka izany ny fanontaniana hoe hahavita ny fampihavanana ve ity rafitra iray sokajiana ho isan’ny andrim-panjakana vao najoro eto amin’ny firenena ity ? Inona no fanamby sy fanomezan-toky homena fa tsy hisy ny tombo sy hala ? Afaka manome antoka ve fa hisokatra tokoa ny orinasa iray izay mamelona Malagasy an’aliny, izay nambaran’ny kandida iray fa himasoana ny fandravonana ny olana raha lany izy? Mbola baraingo ihany koa ny fanenjehana ara-politika mahazo ireo olona tsy mitovy foto-kevitra amin’ny mpitondra. Marihina fa tsy mbola nisy ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, saingy niroso tamin’ny fifidianana birao ny CFM. Resaka efa nandeha ny fanambazan’ny filoha vola 1 tapitrisa avy ireo mpikambana, ka tsy hay aloha na inona no tanjona tamin’izany na inona fa miandry ny ho fizotry ny fampihavanam-pirenena ny rehetra. Andrasana ny fanazavana momba izay raharaha iray sy ny fanomezan-toky arahina porofo mivaingana fa tsy hisy ny tombo sy hala.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT