Nomen’ny ONE na Ofisim-pirenena momba ny tontolo iainana ny fahazoan-dalana hanohy ny asany satria mahafeno ny fepetra amin’ny fiahiana sy fiarovana ny tontolo iainana ilay orinasa sinoa Wisco izay mitrandraka vy any Soalala.
Tsy maintsy manana an’io «permis environnemental» io mantsy ny orinasa mitrandraka harena ankibon’ny tany vao afaka miroso amin’ny dingana manaraka, dia ny fitrandrahana izany. Aorian’ny fanadihadiana maharitra sy lalina vao tokony hivoaka io fahazoan-dalana io, ary mazava ho azy moa fa misy sarany ara-bola arotsaka any amin’ny kitapom-bolam-panjakana ilay izy. Raha tsorina ny resaka eto dia afaka mitrandraka malalaka ny vy ao Soalala amin’izay izany manomboka izao ny WuhanR00;IronR00;andR00;SteelR00;Corporation na Wisco. Efa milamina izany ny ahiahy amin’ny mety ho fahasimban’ny tontolo iainana any an-toeana ary efa manana drafitrasa momba izany tontolo iainana izany ity orinasa Sinoa ity.
Ny manaitra kely amin’ity resaka ity fotsiny dia ny hoe : f’angaha moa afaka manao fifampiraharahana amina tetika goavana sy maharitra tahaka izao indray ny fitondrana tetezamita fa tsy hoe mampandeha fotsiny ny raharaham-panjakana an-davanandro, ary mametraka ny fitoniana mba hahatongavana any amin’ny fifidianana ? Nivoaka tamin’ny 30 septambra 2011 ny drafitra fampiharana ny tondrozotra ka voasoratra mazava ao fa : «tompon’andraikitra amin’ny fitantanana ny firenena ny fitondrana tetezamita, tompon’andraikita ihany koa amin’ny fametrahana ireo fepetra rehetra mba hisian’ny fitoniana hahafahana miatrika fifidianana eken’ny rehetra, marina madio sy mangarahara. Tsy mahazo manao (manasonia) fifanarahana lavitr’ezaka ny fitondrana tetezamita satria ny governemanta vaovao hijoro aorian’ny fifidianana no hiandraikitra izany …».
Raha ny fahafantarana azy dia maharitra 30 taona farafahakeliny ny fitrandrahana vy ao Soalala, lavitr’ezaka izany, ka nahoana no mbola manome alalana ny Wisco ihany ny fitondrana tetezamita aorian’ny nahavosonia ny tondrozotra ? Raha ny tokony ho izy dia naato mihitsy aloha io tetikasa goavana io fa miandry ny fahavitan’ny fifidianana syny fijoroan’ny governemanta vaovao anatin’ny Repoblika faha-4. Mipetraka ary eto ny fanontaniana : fa ampiharina manontolo ve sa ampiharina amin’ny ampahany, sa ampiharina amin’izay maha metimety ny mpitondra ambony sasany ilay sori-dalana ? Ny tranga tahaka izao no mahatonga ny maro hilaza fa mbola mandeha ihany ny fitantanan’ankolafy tokana saingy miseho amin’ny endriny vaovao izany. Tsy azo lavina fa mety misy resa-bola matevintevina ihany ao ambadik’ity fitrandrahana vy any Soalala ity ka mety ho noho izany no mampihazakazaka ny fanomezana fahazoan-dalana ilay orinasa Sinoa ao anatin’ny fotoana mahavariana ny olona amin’ny resaka politika.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.