Politique

Fitoriana ara-pifidianana Hisy ny torolalana havoaka


  • Alarobia 11 Septambra 2019

Nisokatra omaly ny atrikasa dingana voalohany iarahan’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra amin’ny raharaham-pifidianana, izay notarihin’ny FES na ny Friedrich Ebert Stifftung teny amin’ny Hotely Le Louvre Antaninarenina.

 

 Tanjona ny hampahalalana ny rehetra voakasiky ny fifidianana ny zony sy ny lalàna eo anatrehan’ny mety ho tsy fahafaham-pony noho ny fahitany zavatra heveriny fa tsy ara-dalàna. Misy ny endriky ny fitoriana, taratasy ilaina harotsaka entina manamafy izany. Ny olana dia tsy fantatry ny olona loatra hatramin’izay ny lalàna sy ny paika, indrindra ny zony amin’ny fifidianana, ka izay no mahatonga ny fitoriana holavin’ny fitsarana mahefa satria tsy mahafeno ilay fepetra takian’ny lalàna, hoy filohan’ny Filankevi-panjakana Atoa Ratovonelimanana Denis. Indraindray dia tsy ny porofo no tsy ampy fa tsy mahafeno fepetra ilay taratasy fangatahana tahaka ny ny taratasy dika  mitovy tsy voarotsaka na mety misy kara-pifidianana ao fa tsy nandray anjara tamin’ny latsa-bato na tsy misy adiresy mazava,… izay miteraka fandavana na dia mety hitombina aza ilay tsy fanarahan-dalàna. Hisy noho izany ny famoahana torolalana an-tsoratra na “guide” hoenti-manampy ny olom-pirenena, kandida, mpifidy,... Afaka mitory eo anivon’ny fitsarana mahefa ny tsirairay avy mba  hahatonga ny voka-pifidianana mivoaka eo ho ara-dalàna sy heken’ny rehetra, hoy izy. Nomarihiny fa ny fitsarana dia mitsara araka izay taratasy tonga eo aminy, ka ny olona rehetra dia afaka maneho ny heviny amin’ny alalan’ny fitoriana eo amin’ny fitsarana mba hahatonga ny fitsarana hitsara araka ireo taratasy voarotsaka sy hamoaka didy mendrika sy mifanaraka amin’ny tena zava-misy mba hahatonga ilay fifidianana hadio mangarahara sy eken’ny rehetra, hoy izy. Vao miainga any amin’ny filatsahan-kofidiana dia efa miasa ny filankevi-panjakana.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT