Politique

Fitondrana TGV Serasera sy sandry fotsiny…


  • Zoma 22 Febroary 2019

Taorian`ny filankevitry ny minisitra ny alarobia lasa teo, nivoaka ny anaran`ireo tompon’andraikitra ambony handrafitra ny governemanta Ntsay.

 

 

Tafapetraka ny ekipa amin`ny minisitera sasany ary hipetraka ihany koa ny paik`ady amin`ny fampandrosoana ny firenena. Raha ny tsikaritra nandritra izay iray volana mahery izay, ny serasera sy  ny sandry no tena nibahana teto amin`ny firenena. Ohatra ireny fanagadrana mpandraharaha ireny, fisehoana matetika amin`ny haino aman-jery ataon`ireo tompon’andraikitra, fampatsiahivana ireo lalàna efa nisy… Tsy nisy fanapahan-kevitra mivantana sy mipaka any amin`ny sosialim-bahoaka hatreto saingy tsy moramora tokoa no manao zavatra. Maro ny olana miandry ny fitondram-panjakana. Raha tsiahivina, nisy ireo fitakiana maro samihafa nataon`ireo sendikà nandritra ny hetsiky  ny depiote 73 tamin`ny volana aprily 2018 izay noraisina ho karazana revolisionina sendikaly teto Madagasikara, izay mbola misy tsy azo ny zavatra takiana hatramin`izao. Ohatra notakiana tamin`izany ny tsy fitoviana misy amin`ny fitantanana sampandraharam-panjakana sy ny mpiasam-panjakana, sampandraharaha eo anivon`ny minisitra iray, mandray tambin-karama isan-telo volana ary an-tapitrisany maro. Maro ireo sendikà nanatevin-daharana ny hetsika tamin`izany. Fehiny, hodinihana amin`ny manaraka ny ankabeazan`ireo fitakiana fa ny sombiny ihany no nekena. Andrasana ny paikady matotra apetraky ny fitondrana fa tsy mahazo manao hadisoana mihitsy ato anatin`ny telo volana voalohany raha tiana hahomby ny fitantanana raharaham-panjakana. Ny mahavita izao no adihevitra Mahazaka mitantana sy mampandroso firenena ve ? Mahavaha ara-potoana ny olana ve ?

 

Marigny A. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT