Politique

Fitondrana tetezamita Tsy hahatratra ny 26 jona ?


  • Zoma 04 Mey 2012

Tena miha mahery vaika ny fitakiana isan-tsokajiny eto amin’ny firenena amin’izao fotoana.

 Araka ny resaka mandeha dia mety hitombo isa ireo mpianatra hitokona sy hidina an-dalambe tahaka ny nataon’ny mpianatry ny lycée teknika ny alarobia teo, ary nitohy omaly tamin’ny diabe nanodidina an’i Mahamasina. Ny anton’izany moa dia ny fangatahan’izy ireo ny hamerenana ny fampianarana satria efa tena akaiky ny datim-panadinana. Ny mpampianatra anefa, araka ny fanambaran’ny mpitarika ao amin’ny SEMPAMA dia tsy mbola mieritreritra izany hoe hiverina hampianatra izany mihitsy, satria tsy afa-po tamin’ny valin-teny nomen’ny minisitry ny vola momba ny fitakian’izy ireo.

Mazava ny resaka eto fa manatanteraka ny baiko fotsiny ny minisitry ny fitantanam-bola sy ny tetibola Hery Rajaonarimampianina satria ny filohan’ny tetezamita mihitsy no efa nilaza fa tsy mandritra izao tetezamita izao no hanatanterahana ny fitakiana tsy azo nandritry ny taona maro

.
Namoaka «circulaire» eny amin’ny EPP, ny CEG sy ny Lycée ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Manoro Régis. Raha fintinina ny voasoratra ao anatin’izany taratasy fampilazana sy fampatsiahivana izany dia manambara fa tokony hanatanteraka ny asa aman’andraikitra tandrify azy ny mpampianatra, tsy misy anefa ny faneriterena fa izay te hiasa dia afaka manao izany an-kahalalahana ary tsy tokony hosembatsembanina, izay te hitokona kosa dia malalaka amin’ny safidiny. Milaza io taratasy io, raha araka ny nambaran’ireo mpampianatra tafaresaka taminay fa dia ny mpampianatra no tompon’ny fanapahan-kevitra ! Raha atao indray mitopi-maso izay voalaza rehetra izay dia tsy manana vahaolana hafa intsony ny ao amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ka manipy ny baolina any amin’ny mpampianatra tsirairay avy.

Sady manentana ny mpampianatra mba hampianatra izany ny ministera no tsy misakana ihany koa ireo izay te hitokona. Fa ny zavatra hita eto Antananarivo sy ny manodidina aloha dia maro be ny sekolim-panjakana mikatona, na misokatra ihany fa ora 2 na 3 ao anatin’ny iray andro, fa dia manatevin-daharana ny fitokonana eny Anosy avokoa ireo mpampianatra. Fa ahiana hipoaka ihany koa ny fitokonan’ny dokotera, satria manana ny fitakiany izay tsy tanteraka ihany koa izy ireo, ary mety hiroso amin’ny dingana mafimafy kokoa rehefa manao be marenina ny fitondrana tetezamita. Mbola zava-doza mety hitranga koa anefa ny fiakaran’ny vidin-tsolika izay mety ho avy tsy ho ela.

Mazava ho azy fa hilaza ny heviny koa ny mpitatitra raha vao izay no mitranga ka handrangaranga indray ny tsy maintsy hampiakarana ny saran-dalana, dia izay foana ny zava-misy eto. Tsy misy vahaolana fa olana no betsaka. Sehatra anisan’ny tena saropady eto amin’ny firenena avokoa izany hoe fampianarana, fitsaboana, famatsiana solika sy fitaterana izany, koa raha tsy kinga mikaroka izay handaminana azy ireo ny fitondrana tetezamita dia ho sahirana, ary mety hitombina ihany ny tombantomban’ny mpanara-baovao sasany hoe tsy hahatratra ny fetim-pirenena amin’ny 26 jona intsony izao fitondrana tetezamita izao, rehefa minia mikipy amin’ny fahasahiranan’ny vahoaka.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT