Politique

Fitondrana Tetezamita Handefa fiaramanidina haka an-dRavalomanana ?


  • Alatsinainy 23 Janoary 2012


 Araka ny vaovao notaterin'ny RFI (Radio France Internationale), taorian'ny resaka nifanaovan'ny mpanao gazetin'ity onjampeo frantsay ity tamin'ny tompon'andraiki-panjakana malagasy ambony iray, dia mieritreritra ny handefa fiaramanidina manokana any Johannesbourg Afrika Atsimo, ny fitondrana tetezamita mba haka an'i Marc Ravalomanana. Tsy mbola fantatra mazava kosa anefa hoe rahoviana no mety hitrangan'izany. Raha arak'io voalaza io izany dia hanatanteraka ilay didy fampisamboraka mahakasika ity filoha teo aloha ity ny fitondrana tetezamita, rehefa tsy afaka nisambotra azy ny sabotsy 21 janoary teo. Efa tao anatin'ny eritreritry ny mpitondra tokoa mantsy ny hoe hampidina ilay fiaramanidin'ny Airlink tao Morondava, dia ao no samborina Atoa Ravalomanana, saingy tsy tanteraka izany.

Mafampana ity raharaha ity, satria milaza ny tsy hipetra-potsiny sy hatao sambo-belona izany Atoa Ravalomanana, ary tsy maintsy hikaroka ny hevitra rehetra hahafahany mody aty Madagasikara. Heverina ihany koa fa hanana ny ambarany amin'ity raharaha ity ny SADC sy ny sehatra iraisam-pirenena amin'ny ankapobeny satria mitady ho lasa lavitra ny resaka ary manomboka efa misy ny fanohintohinan'ny fitondrana tetezamita, ny fahafahana sy fahalalahan'ny hafa, tahaka ny kaompania Airlink, ohatra. Hita koa anefa fa tsy ho mora izany hisambotra an'i Marc Ravalomanana atsy Afrika Atsimo izany, satria tsy manana fiaraha-miasa eo amin'ny sehatry ny fitsarana ny firenena roa tonta, ary tsy mbola ny fahazoan-dalana manokana azon'ny mpitandro ny filaminana Malagasy hisambotra olona any Afrika Atsimo na efa natao tsianjery aza tamin’ny taon-dasa ny hoe handefa miaramila any ny FAT hisambotra an’i Marc Ravalomanana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT