Fitondrana tetezamita

> Nanapotika tanteraka an’i Madagasikara


  • Alakamisy 03 Oktobra 2013

Mba tsy hanaovana resaka manidintsidina fotsiny dia tsara ny miainga amina fanadihadiana sy tarehimarika raha hiady hevitra momba ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny. Maro no mahatsapa fa tena niha nahantra ny Malagasy vokatry ny fanonganam-panjakana ka nisian’ity fitondrana tetezamita ity.

Namoaka tarehimarika ny Banky Iraisam-pirenena fa sahirana ara-pivelomana ny 92%-n’ny Malagasy tamin’ity taona ity. Farany teo dia nisy ihany koa ny fanadihadiana nataon’ny Afrobaromètre milaza fa tena niha nahantra ny Malagasy rehefa tonga ny fitondrana tetezamita, araka io fanadihadiana miendrika tsapa-kevitra (sondage) io dia mahita ankehitriny ny 55%-n’ny Malagasy fa tena sahirana ara-pivelomana izy ireo, raha toa ka ny ny 40% no nahatsapa izany tamin’ny 2008. Ny 66% kosa dia mihevitra fa tena ratsy dia ratsy ny toekarena, raha toa ka ny 28 % no nihevitra izany tamin’ny 2008. Tamin’ity 2013 ity ihany dia mihevitra ny olona fa tena ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra tetezamita mihitsy no antony mampikatso ny fampandrosoana ny firenena. Miteny ny tarehimarika, koa raha izany no izy dia fanovana mankany amin’ny fampahantrana manara-penitra izany no natao teto nanomboka tamin’ny 2009. Mahay mikabary sy miresaka ary miaro tena tokoa ny fitondana FAT fa tsy nahay nanarina mihitsy ny toekarena. Tsy hain’ny fitondrana FAT na dia nitondra ny vahaolana faran’ny kely aza hanavotana ny toekarena, fanapena-maso no natao, sady tsy nahavita fifidianana no tsy nahavita nikarakara ny fiainam-bahoaka ny fitondrana tetezamita tao anatin’ny 3 taona sy tapany.

Tsy ny toekarena ihany no simba sy potika fa ny toe-tsaina, ka efa lasa lamaody manerana an’i Madagasikara izao ny fitsaram-bahoaka, ny fandorana olona velona sy ny fanafihana tobina polisy na zandary miazona jiolahy. Mihevitra ankehitriny ny Malagasy mahatsapa fa tena mijaly sy mitondra faisana fa ny fifidianana no fomba handrodanana ny mpitondra tetezamita, ary tokony hohavaozina tanteraka mihitsy ny mpanao politika sy ny fomba fanaovana politika eto. Mialoha izao fitondrana tetezamita izao dia efa nanomboka niarin-doha ny toekarena, nisy ny asa tsara tsapan’ny Malagasy fa vitan’ny fitondrana Ravalomanana tahaka ny fitantanana ny toekarena, fitandroana ny filaminana, fanatsarana ny sehatry ny fitsaboana sy ny fampianarana, ady amin’ny kolikoly, fampidirana rano fisotro madio. Ankoatra ny fisehosehoana sy ny fizahozahoana dia tsy hita kosa izay asa tena miantraika mivantana amin’ny vahoaka sy ny fiainam-pirenena nataon’ny tetezamita tarihan’i Andry Rajoelina. Nopotehan’ny ankolafy Rajoelina nandritra ny 5 taona i Madagasikara, ary azo antoka fa mbola hitohy mandritra ny dimy taona manaraka izany raha toa ka tafajanona eo amin’ny fitondrana izy ireo.

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT