Manara-maso tanteraka ny teboka 13 napetraky ny K13 tamin’ny fampielezan-kevitra ny GPCM (Goupement des jeunes Patriotes pour les Changements de Madagascar), hoy i Njaka Andriantsoa,
sekretera jeneralin’io fikambanana io, izay namotsipotsitra ireo zavatra hitany fa tsy mety ataon’ny mpitondra. Nialoha ny nandaniana ilay lalàna manome fahefana feno ny filoha amin’ny asa fanaovan-dalàna noho ny fahabangan’ny antenimieram-pirenena, dia nilaza izy ireo fa tsy azo ekena izany. Manahy ny hirosoan’ny fanjakana amin’ny lalàna mety hamotika, toy ny fanambadian’ny lahy samy lahy sy ny vavy samy vavy ny GPCM, ka manohitra ankitsirano an’io. Hivangogo any aminy ny fahefana, ka afaka hanao izay tiany hatao ilay filoha, raha ny nambaran-dRakotomalala Désiré mpandrindra ankapobeny ny GPCM. Mikasika ny fikatsahan’ny fanjakana hanova lalàmpanorenana, dia nivantana izy ireo nilaza fa sanatria ve valalan’amboa izy ity, ka ilay filoha nametraka ilay lalàna sy tsy mbola nosedraina tamin’io aza tsy tia, hoy i Njaka Andriantsoa. Milaza hanolotra depiote amina distrika maro, saingy manakiana mafy ny fisian’ny antoka volabe 5 tapitrisa, izay endrika fanilihana sy famerezan-jo sahady ary maneho fa ny fanjakan’ny vola no homena laka. Tsy manohitra olana na manohitra bontolo satria ilay fitondrana ny IEM mihitsy no tsy mety satria raha ny teboka noresahina tahaka ny hoe: “hanao building”, dia firy isan-jaton’ny Malagasy moa no mba manam-bola handoa na afaka hividy izany ? Ny vahiny no hahazo tombontsoa, hoy izy ireo. Mampanahy ny ho fomba fitondran-dRajoelina ny fitondrana, ary henonay fa misy fitoriana ny mikasika an’io filoha io any amin’ny HCJ, hoy i Désiré Rakotomalala, ka ho hita eo ny tohiny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.