Politique

Fitondrana Rajoelina Tsy afa-miala amin’ny mpamatsy vola mahazatra


  • Alarobia 06 Martsa 2019

Nandray masoivoho maromaro ny filoham-pirenena Malagasy Andry Rajoelina omaly, dia ny masoivoho Amerikanina Michael Peter Pelletier,

 

 

 Masoivohon'i Suède Marie Andresson de Frutos, Masoivohon'i Ethiopie Shiferaw Teklemariam Menbucho  ary ny Masoivohon'i Israel Lior Keinan; efa nihaona taminy ihany koa ny alatsinainy lasa teo ny avy ao amin’ny Banky Afrikanina misahana ny fampandrosoana (BAD) sy ny solontenan’ny vondrona eoropeanina eto Madagasikara izay samy nanamafy ny hanohizana sy hanatsarana ny fiaraha-miasa eo  amin’ny roa tonta. Nialoha io, efa namoaka fanambarana ara-diplomatika  i Andry Rajoelina fa miombon-kevitra amin’ny firenena tandrefana toa an’i Etazonia sy ny Eoropeanina amin’ny fanohanana an’i Juan Guaido filohan’ny Antenimieram-pirenen’i Venezuela nanandran-tena ho filoha vonjimaika. Manohana ny filoha am-perinasa any Venezuela dia Nicolas Maduro kosa hatreto ny Rosianina, Sinoa, Tiorka,… Nanampy ara-pitaovam-piadiana hiarovana ity filoha ity sy ny fanjakany mihitsy i Rosia. Marihina fa miara-dia sy manohana fatratra io filoha io ny tafika any an-toerana, ka izay no mbola mety mahamafy azy na efa am-bolana maro aza ny hetsi-pitakiana ny fialany. Manomboka mazava ny politikan’ny fanjakana Rajoelina, izay toa mitady irika amin’ny sehatra iraisam-pirenena, maka ny fon’ny tandrefana. Mety tambin’izany ny fivoahan’ny fanampiana sy fampindramam-bola. Efa ireny niaraha-nahita ireny rahateo ny fitangirihana vola tamin’ny BAD (Banky Afrikanina momba ny fampandrosoana) tany Addis-Abeba. Nitohy tamin’ny fitsidihan’ireo tompon’andraikitry ny BAD eto, ka nambara fa 20 tapitrisa dolara no homen’ny BAD ho an’ny tetikasam-pirenena miompana amin'ny fandraharahana ho an'ny tanora « Fihariana », indrindra ho an’ireo tetikasa mahakasika ny fambolena sy ny fiompiana ary efa eo an-dalam-panantaterahana ny tetikasa fananganana ny ivontoerana mpamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro sy ny tohadrano ao Sahofika ka hampihena hatramin’ny 25% ny vidin’ny jiro ho an’ireo mpanjifa. Izay no nivoitra tao anatin’ny fihaonan’i Andry Rajoelina sy ny avy amin’ny BAD notarihin’ny filoha lefiny Amadou HOTT sy ny solontenan’ny BAD eto amintsika sy Mohamed Abdallah Cherif, tao amin’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra. Atao veloma hatreto izany ny fifanarahana amin’ny Rosianina, sinoa, Tiorka…? Mazava izao fa tsy tena mahita lalana marina hitondrana ny firenena araka ny nambarany i Andry Rajoelina, ary mbola miantehitra ihany amin’ny mpamatsy vola mahazatra aloha. Tsarona hatrany ny teny nataony tany anaty adihevitra fa ny an’i Zoky Raiamandreny (Marc Ravalomanana) ny hitrosa amin’ny mpamatsy vola vahiny ihany fa ny ahy,  isika indray no hampindrana an’i Kaomoro rehefa tonga eo. Io anefa fa fatoran’ny teny natao, ary tsy mbola afa-miala amin’ny mpamatsy vola mahazatra raha mbola izao zava-misy izao, araka ny tenin’i Marc Ravalomanana. Midika io fa very 10 taona i Madagasikara satria izay politika izay no nanenjehana an’i Marc Ravalomanana.

 

 

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT