Tsy fahamatorana ve sa mbola variana amin’ny zavatra hafa ? Hita ho miandry tairina foana tato ho ato ny fitondrana Rajoelina vao mandray fepetra.
Nahasorena ny mpanara-baovao, ohatra, ny fihetsiky ny avy eo anivon’ny seraseran’ny fiadidiana ny repoblika taorian’ny fitrangan’ilay fihotsahan’ny tany teny Ampamarinana ny 19 janoary 2019. Telo andro taorian’ny voina vao nalefa ny teny fampiononana izay toy ny notsotsorina fotsiny tamina fehezanteny 4 sy 5. Asa na ezaka fanarenana azy iny kosa no natao ny alahady 3 febroary teo fa vantany vao nihotsaka indray ny vato manaraka dia ny governemanta iray manontolo mihitsy no novoriana ny tolakandro. Maninona anefa izao raha avy hatrany dia ireo minisitra tompon’andraikitra ihany no nomena toromarika avy hatrany ? Raha tsy niteraka resabe ve ny dikan-teny frantsay ihany fa tsy nisy tamin’ny teny Malagasy ny politika ankapoben’ny fanjakana tamin’ny tambajotran-tserasera dia tsy navoaka ny ampitson’iny ny dikan-teny tamin’ny tenin-drazana ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.