Manomboka hita taratra io fa misy fifanolanana anatiny sy fifampiahiahiana mipetraka eo anivon’ireo samy antoko nanohana ny filoham-pirenena,
Andry Rajoelina, tany anaty fampielezan-kevitra. Anisan’ny voatonona ao anatin’izany matetika moa ny eo anivon’ny MMM, tarihin’ny minisitry ny fanajariana ny tany, Hajo Andrianainarivelo sy ny antoko Freedom, tarihin’ny minisitry ny serasera, Lalatiana Rakotondrazafy ary raha ny heno dia fototry ny disadisa mihitsy ny fisian’ireo kandida nivadika palitao lasa nirotsaka ho kandida ben’ny tanàna sy mpanolotsaina amin’ny anaran’ny TGV – Mapar na koa hoe IRK, izay tsy hita intsony no tena azo ilazana azy. Ny tsikaritra aloha dia maro tokoa ireo mpikambana HVM teo aloha, izany hoe, mpanaradia ny filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina, nomena avara-patana natao kandida amin’ny anaran’ny antoko sy vondrona politika miaraka amin’ny filoham-pirenena ankehitriny. Dia ho mbola fihodinkodinana toy izany foana no ho politika hiainana eto Madagasikara ary raha izao fizotrany izao dia hanaraka ny dian’ny teo aloha ihany koa ny filoha Andry Rajoelina fa tsy hametraka politika vaovao ho amin’ny tsaratsara kokoa ho an’ity firenena Malagasy ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.