Izay lazaiko tsy maintsy tanterahiko, hoy ny ambentin-tenin-dRajoelina tamin’ny fandresen-dahatra ny vahoaka.
Nirarakopana ny fampanantenana nentina nakana ny fom-bahoaka, ary maro tamin’ireny no fampanofinofisana mety hahatonga ny olona sasany hihevitra fa tena ho lasa paradisa kely ity Madagasikara ity, raha i Andry Rajoelina no ho filoha eo. Lany izy io, saingy ny tsy azo adinoina dia efa maro ny fampanofinofisana tsy tanteraka, azo hitanana azy amin’ny teniny fa mpampiesona Rajoelina. Tsaroana ny kabary nataony ny 7 novambra 2010 : “Trano 10.000 no hataontsika ao anatin’ny volana vitsy, ka hisitraka izany ny tanora latsaky ny 35 taona, ka hatomboka eto Antananarivo ary hiparitaka manerana an’i Madagasikara; hasiana “metro” sy “tramway” eto Antananarivo ka efa amboarina any ampitan-dranomasina izany ary ho tonga afaka volana vitsivitsy; hanangana orinasa mpamokatra simenitra lehibe indrindra aty amin’ny ranomasimbe indianina, ka nolazaina tamin’izany, fa raha 22.000Ar ny simenitra, dia ho lasa 14.000Ar”. Tsy nisy vita ireny, saingy niainga indray ny hoe: hanangana trano 50 000. Ambatondrazaka havadika toa an’i Paris e...! Hitarafan’ny olona ireny rehetra ireny fa tsy azo inoan-teny firy i Andry Rajoelina, ka tsara ny manantena fa mila miomana ihany koa amin’ny mety ho fahadisoam-panantenana amin’ny hafitsony. Ny hamisavisana ny ratsy ihany koa anefa mety hiavian’ny soa, saingy toa sarotra inoana e ! Ny miasa mafy sy miasa tsara no tena zava-dehibe, ary izany no nampandroso ny firenena maro toa an’i Etazonia, Afrika Atsimo, Japon,… fa tsy nanao adin’ny kamo niandry vary mora na fanampiana avy amin’ny mpitondra, izay mety ho tapi-maso amin’ny afera maloton’ny mpitondra sy fanangonan-karena izany raha ny eto amintsika. Rehefa tsy vesatra ho an’ny mpitondra ny vahoaka, ary afaka mamokatra sy miaina, dia efa mitondra ny anjara birikiny mampiakatra ny toekarena, ka izany no miteraka fandrosoana sy atao hoe: “fandrosoana” fa tsy ny “building” tsy azon’ny rehetra sitrahana, raha ho an’ny tany mbola mahantra tahaka antsika.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.