Tsy mitombina tanteraka ny hoe politikan’ny fitsisiana ny volam-panjakana izay hampiodinana ny minisitera.
Feno fivoahana any ivelany ao anatin’ny programan’ny minisitra tsirairay avy ary tena misesisesy izany. Misy aza ny minisitra tsy dia eto an-toerana loatra ao anatin’ny fotoana maharitra, efa mihoatra ny roa herinandro fa dia any ivelany hatrany. Mazava ho azy fa miaraka amin’ny ekipany izy ary tsy ilaozan’izay hanao fizahan-tany ny fotsiny no tanjon’ny sasany lasa any. Izany rehetra izany anefa dia nekena teo anivon’ny filan-kevitry ny governemanta. Mazava ho azy fa volam-panjakana, izany hoe volan’ny vahoaka Malagasy no ampiasaina.raisina ihany koa ohatra ny dian’ny filoha farany tany Maorisy izay efa naharitra 4 andro be izao; nafonja ny delegasionina nanara-dia azy tany.Tsy misy tatitra ara-bola moa, saingy fantatra tsar any saran’ny tapakilan’ny fiaramanidina mankany sy ny hofan’ny hotely, ny sakafo sy ny fandaniana maro mety natao…midangana ny kaonty.Dia mbola nankany Nairobi Kenya indray avy eo nanatrika ilay One Planet Summit zay tsy dia hita akory ny tena tombotsoan’i Madagasikara amin’io ankoatry ny hoe mba niseho vahoaka taty Afrika angamba ny filoha vaovao, ilay mpanongam-panjakana nosokajian’ny Afrikanina ho “sans qualité” folo taona lasa izay fa efa mizesta ankehitriny fa hoe voafidim-bahoaka (?).Mbola tsy resahana amin’izany ilay fambolen-kazo natao tany Moramanga, ekena fa hoe hetsika hiarovana ny tontolo iainana fa ilay fandaniam-bola isaky ny mihetsika no manahirana.Avy eo anefa mitalaho amin’ny Pakistanais manafatra vary mora..tsy hita popoka ary tsy re feo intsony ny hoe karama farany ambany 200 000 ariary.Tsy ny fivoahana any ivelany no ratsy, fa amin’ny fotoana maha mety azy sy rehefa hoe tena misy tombotsoa azo tsapain-tanana tokoa azo avy any fa tsy sehoseho fotsiny sy fandanianan’andro maka sary no atao.Ny famasiam-bola tsy azo, fampanantenana aloha no betsaka hatreto, kanefa ny kely am-pelatanana laniana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.