Politique

Fitondrana Rajoelina Lasa fampiesonana ilay velirano


  • Alakamisy 21 Martsa 2019

Ny an’ny teo aloha no mody hetsiketsehana, dia tahaka ny hoe haingam-piasa, kanefa ny fitohizan’ny fitantanan-draharaham-panjakana no ezahin’ny fanjakana Rajoelina takonana amin’ny hoe : «fanatanterahana ny velirano ».

 

 

Tsy mbola tena hita ny zava-baovao sy ainga vao hoentin-dRajoelina satria raha resaka vary mora izany, ohatra, tsy vao izao no nisiany fa efa fanao tamin’ny tetezamita, ary tsy vahaolana maharitra.  Ny tetikasa lehibe ambara atao toy ny building, trano 50 000, tanamasoandro,… dia toa tsy misy tetiandro mazava ary toa efa ezahina tsy resahina aza. Ny politikan’ny fampandrosoana teo  aloha ihany no tohizana kanefa tsaroana tsara ny fanenjehana ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina teny amin’ny 13 mey ny volana aprily 2018 nanaovana ny hoe: “miala Rajao”. Ankoatra ny lalàm-pifidianana, dia isan’ny notoherina mafy ny teny amin’ny 13 mey nandritra ny hetsiky ny depiote 73 niarahan’ny MAPAR, MMM, TIM ny lalàna mikasika ny faritra ara-toekarena manokana na ny ZES. Mbola nilaza hanohitra hatramin’ny farany ny ZES aza Rtoa Christine Razanamahasoa rehefa tonga minisitry ny fanajariana ny tany. Moramora ny manakiana rehefa tsy eo amin’ny toerana fa rehefa tonga eo hafa mihitsy. Mitady fomba hialana bala sy hanovana resaka no tena atao aty aoriana. Ny 10 febroary 2009, ohatra, i Andry Rajoelina dia nilaza tao amin’ny gazety Jeune Afrika izay raha hadika tsotsotra amin’ny teny Malagasy ny teniny dia hoe: “ny Daewoo, isan’ny mampalahelo ny vahoaka io. Manameloka ny fifanaovan-tsonia aho, ary ny governemanta sy ny filoham-pirenena indrindra indrindra. Araka ny fomban-drazana, dia voarara ny famarotana na fampanofana tany amin’ny vahiny”. Fambolena katsaka sy “palmier” hahazoana menaka no saika hataon’io orinasa Koreanina io tamin’izany, izay nisy fampiasam-bola 6 miliara dolara sy famoronan’asa 70 000, saingy nosakanana sy natao fitaovana nentina nanonganam-panjakana. Io anefa fa miantso ny Maorisianina sy manao fifanarahana ary miezaka manadio tena. Anatra ho an’ny vahoaka ny zava-misy ankehitriny amin’ny tsy tokony handraisana an-tendrony ny fampanantenan’ny mpanao politika sy mba tsy ho taitaitra sy sodoka amin’ny zavatra havoakan’ny vavan’izy ireo satria izay lazaina fa mainty anio ambara fa fotsy rahampitso, raha io fanaon-dRajoelina io no jerena. Fampiesonana e !

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT